Nampahafantarina tetsy Anosy, ny alarobia teo, ny fanapariahana ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny RTI International mikasika ny tetikasa «Numeracy at scale». Niompana tamin’ny fanadihadiana natao manerana ny sekoly miisa 130, mahakasika ny fahaizana mahatakatra sy mampiasa ny isa sy ny matematika amin’ny fiainana andavanandro ny tetikasa. Tanjona ny mba hahafahana […]
Fiaraha-monina
Faha-55 taonan’ny FJKM : homarihina amin’ny synodam-paritany 6
Nitondra fanazavana, omaly, ny tonian’ny departemantan’ ny fiangonana FJKM, Robson Rado Lalaina, mpitandrina fa hatao amin’ny synodam-paritany 6 ny fanamarihana ny faha-55 taonan’ny FJKM. Hivondrona amin’ireo synoda efa nofantenana manokana ireo ny fitandremana isaka ny synoda misy azy sy manakaiky azy avy. Anisan’ny hanatanterahana izany ny any Nosy Be synodam-paritany […]
Filoha Rajoelina Andry : tsy hilefitra amin’ireo nanaparitaka laza adina ny fanjakana
Hentitra ny filoham-pirenena Rajoelina Andry nilaza fa tsy handefitra amin’ireo manao takalon’aina ny tanora malagasy mahakasika ilay laza adina Tantara sy Jeografia nivoaka mialoha iny. “Na ny tao amin’ny Ofisin’ny Bakalorea na ireo mpizara laza adina, tsy maintsy nisy tomponandraikitra ambony namoaka iny laza adina Tantara sy Jeografia iny voalohany […]
Protocole de Maputo : tokony hiroso amin’ny fanamafisana ny fifanarahana i Madagasikara
Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny faha-20 taonan’ny fahavitan’ny sonia fifanarahana, «Protocole de Maputo», tany amin’ny kaontinanta afrikanina. Fiaraha-miasa eo amin’ny Forum Génération Egalité Madagasikara no nanaovana izany. Efa nanao sonia izany i Madagasikara saingy tsy mbola nanao fanamafisana eo anivon’ny parlemanta. Nohararaotina, omaly, koa ny fampahatsiahivana sy […]
Vokatry ny korontana : very ny fifantohana, feno tebiteby
Tany amin’ny 4 ora hariva vao nanomboka ny adina Tantara sy Jeografia ho an’ireo mpanala baka, omaly, tamin’ny foibem-panadinana sasany. Tao anaty tebitebin-tsaina no niatrehan’izy ireo izany. Nitaraina ny amin’ny fahaverezan’ny fifantohana ireo mpianatra sendra anay teny amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely. Tsy nampoizina ny fiovana tampoka ka niteraka fitaintainana. Manginy […]





