Fiaraha-monina

Fahasalamana: telo andron’ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra

Ny 25 hatramin’ny 28 jolay izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, andiany faharoa, iarovana amin’ny aretina lefakozatra. Manerana ny Nosy ny hetsika ary hidina isam-baravarana ny mpiasan’ny fahasalamana hanao izany. Ireo zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona no hatao vaksiny, hiarovana azy amin’ity areti-mandoza ity. Mitarika amin’ny fahasembanan’ny zaza na mety […]

Fahaiza-mitarika: nofanin’ny CUA ireo fikambanana sy mpivarotra

Nanatanteraka atrikasa fampiofanana momba ny maha olompirenena sy fahaiza-mitarika ara-tsosialy ho an’ireo mpitantana fikamba­nan’ny mponina sy fikambanan’ny mpivarotra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka ny fiofanana ny avy ao Manarintsoa, Andavamamba Anjezika I, AntetezanafovoanyI, Morar­ano, Mahazoarivo, Ankoron­drano Atsinanana, akorondrano Andrefana, Ankorondrano Andranomahery, 67ha Nord Est, Antohomadinika FAAMI, Andranomanalina Afovoany, Antohomadinika afovoany, […]

Toetr’andro: hangatsiaka ny faran’ ny herinandro

Hidina ny maripana amin’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy amin’ity faran’ny herinandro ity, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hiakatra tsikelikely izany any amin’ny alatsinainy. Hitohy hatramin’ny rahampitso ihany koa ny fikorontanan’ny toetry ny andro eny an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary atsinanana iray manontolo, […]

Antsapanana Ambohitrimanjaka: tafarina tanteraka ny fefiloha

Vita tanteraka ny fanarenana ny fefiloha manamorona ny renirano eny Antsapanana Ambohitrimanjaka. Nosaha­nin’ny tetikasa Produir izany ahafahana miatrika ny taom-pahavaratra izay mahamafy ny tosiky ny rano. Ilaina ny fikojakojana ny fotodrafitrasa vita ary manana anjara amin’izany ny rehetra mba haharetan’izy ireny. Nasiam-panamboarana koa ny fefilohan’i Sisaony ha­vanana eo Ambohiman­gidy, ny […]

Alliance Stratégique pour l’Education: « Mihavery ny hasin’ny fampianarana malagasy »

Mampalahelo sady mahamenatra ny mahita sy miaina ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara ankehitriny. Manana anjara andraikitra ny rehetra manoloana izany. Ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampianarana sy ny fanabeazana no vahaolana voalohany amin’izany. Nanatontosa fanambarana, ny fiarahamonim-pirenena, mivondrona ao anatin’ny «Alliance stratégique pour l’éducation», omaly, teny […]