Fiaraha-monina

Disitrikan’ i Mananara avaratra : manana ny herijikam-pampandrosoana rehetra

Distrika iray anatin’ny faritra Analanjirofo i Mananara Avaratra. Miisa 285.917 ny mponina ao aminy. Miparitaka anatin’ny kaominina 16 sy fokontany 208 izany. Distrika anisan’ny tokony ho renivohitry ny karazan-karena  hahafahana mampandroso sy mampiakatra ny fari-piainan’ny mponina ao aminy i Mananara Avaratra. Nisy fotoana niroborobo ny seha-pihariana maro, saingy noho ny […]

Antanimora : harenina ho tonga olom-banona ireo ankizy voafonja

Toeram-panarenana ny an­kizy solafaka na nivaona teny amin’ny fiarahamonina ny ao amin’ny kartien’ny ankizy tsy ampy taona, ao amin’ny fonjan’Antanimora. Fampana­ra­han-dalàna sy fitaizana ireo tanora ho tonga olom-banona no tanjona, raha ny namba­ran’ny tomponandraikitra. Tsy maintsy mifoha amin’ ny 6 ora sy sasany maraina ny rehetra. Efa voazara ny an­draikitra […]

Foibem-panadinana Lycée Rabearivelo : mpiadina voafonja dimy miatrika BEPC

«Roa herinandro ny faharetan’ny fitsarana ny kopiam-panadinana ka hoezahina hivoaka aorian’izay ny valim-panadinana BEPC», hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mandray ny ankizy voafonja miatrika ny BEPC, toy ny isan-taona, ny foibem-panadinana Lycée JJ Rabearivelo. «Dimy lahy izy ireo no manala fanadinana amin’ity taona ity ary misy mpiasan’ny fonja manara-maso azy […]

Tetikasa Vision zero funds : arovana ny mpiofana amin’ny toeram-panofanana teknika

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Vavi­tsara Rahantanirina Gabriella, ny delegasiona avy amin’ny OIT, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha. Ao anatin’ny fanamafisana ny fampidirana ny fiarovana sy ny fahasalamana eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa ny tanjon’ny dinidinika. Ny OIT, amin’ny alalan’ny […]