Fiaraha-monina

Torohay ara-pahasalamana : 7 tapitrisa ireo nisitraka tombontsoa

Nanofana mpiasan’ny fahasalamana sy mpikirakira torohay avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miisa 1 800 ny tetikasa “Measure Malaria” izay tohanan’ny PMI. Tanjona ny hanangona sy hamakafaka ireo antontanisa sy angon-kevitra hitarihana ny politikam-pahasalamana sy ireo fandaharanasam-pahasalamana ary ireo tolotra ara-pahasalamana. Nandritra ny telo taona ny fanamafisana ny rafitry ny torohay ara-pahasalamana […]

BEPC : mpiadina 47 mila fanomanana noho ny tsy fahatomombanana

Fanadinam-panjakana faharoa no hizotra manomboka anio, manerana ny Nosy. Vonona ny fotodrafitrasa sy ny mpiasa hisahana ny fampandehanana izany. Hanatrika ny fisantarana, eny amin’ny CEG Ampefiloha, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, anio maraina. Manomboka anio ary haharitra hefarana, mpiadina 305 836 no hiatrika ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy izay mitsinjara […]

Antanimora-Fondation Axian : nohavaozina ny toeram-panarenana ny ankizy

Natao omaly, ny fitokanana ny fanavaozana ny fonja ao amin’ny toerana natokana ho an’ny ankizy tsy ampy taona, eny Antanimora. Voa­voatra ny fotodrafitrasa toy ny lakozia, ny efitrano fianarana sy fanofanana, ny efitrano fatoriana, ny biraon’ny mpiandraikitra ary ny tokotany. Fiaraha-miasa eo amin’ ireo orinasa 7 miara-miasa amin’ny Fondation Axian […]

Fonjan’Antanimora : misy migadra hatramin’ny 20 taona ireo ankizy

Namono olona ny sasany amin’ny ankizy migadra eny Antanimora. 20 taona ny sazy be indrindra amin’izy ireo. Toeram-panarenana satria misy fiofanana sy fampianarana ao an-toerana. Nandritra ny fitsidihana natao teny amin’ny fon­ja an’Antanimora, tao amin’ny toerana natokana ho an’ny ankizy tsy ampy taona, omaly no nahafantarana fa misy 122 ireo […]

Antsantsamoroy: fari-dranomasina 10 ha hiompiana zanga

Ho fampihenana ny tsindry ataon’ny mpanjono madinika amin’ny rohivoahary an-dranomasina, nofanina amin’ny fiompiana zanga (dingadin­gana) « concombre de mer » ny mpanjono anatin’ny tetikasa Nosy manga, miaraka amin’ny Indian Ocean Trepang (IOT). Ny orinasa no manome ny zanaka zanga ho an’ny mpanjono ary ireto farany no miompy azy anatin’ny ranomasina sy mivarotra indray […]