Niorina ny taona 2007 ny Fikambanana miaro hanasoa ny ranomasina (Fimihara), ao amin’ny fokontany Ifaty. 806 ireo mpanjono mpikambana anatin’ny kaominina roa (Belalanda sy Manombo) miparitaka anatin’ny fokontany 13. Nahatsapa ireo mpanjono fa rehefa simba ny vatohara, lasa nandositra any amin’ny fari-dranomasina lalina ny hazandrano ka sahirana izy ireo, hoy […]
Fiaraha-monina
Copefrito : Mamelona mpanjono 10 000
Fampiroboroboana ny asa fiveloman’ny mpanjono, nataon’ny orinasa « Compagnie de pêche frigorifique de Toliara” (Copefrito) no niteraka ny fiompiana zanga sy fambolena lomotra, nanampiana ny vola miditra amin’ny mpanjono. « 25 taona niasana teto Madagasikara ny orinasa amin’ny fanondranana hazandranomasina, indrindra ny horita sy ny drakaka », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fitrandrahana, […]
Tetikasa ARMS Restore: 6 ha ny vatohara amboarina miaraka amin’ny Reef doctor
Tokony hampianarina hitia ny tontolo an-dranomasina ny ankizy raha vao eny amin’nyambaratonga voalohany. Mpianatra mpikaroka manomana doctorat, Randrianandrasana José, izay « océanographe » sady « biologiste marin » ary miara-miasa amin’ny ONG Reef doctor sy ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) ao Toliara. Misehatra anatin’ny tetikasa Artificial […]
Fito ny “reserve dure” : 100 000 Ar ny sazy voafaritry ny dina
Fokontany fito manana tanàna 23 no mivondrona ao anatin’ny fikambanana Velondriake, niforona ny taona 2003, hiaro ny fari-dranomasina, hampitombo ny vokatra samihafa. Nanangana kaoperativa ny mpanjono 2 500 izay miara-miasa amin’ ny ONG Blue ventures. Ny vehivavy no misahana ny fitantanana ny fari-dranomasina misy ny horita arovana fa ny lehilahy manjono, […]
Andavadoaka : Faritra arovana an-dranomasina voalohany eto Madagasikara
Teo aloha, vokatry ny fihenan’ny hazandranomasina, mandeha miandriaka indroa na intelo isan’ andro ny mpanjono madinika. Nisy fiantraikany tamin’ny rohivoahary an-dranomasina izany ka simba ny vatohara sy ny ahidrano. Nanomboka niasa ao amin’ny tanànan’Andavadoaka, kaominina Befandefa, distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny ONG britanika Blue Ventures (BV), ny taona 2003 […]





