Fiaraha-monina

Vonjy voina ivelan’ny hopitaly: hisokatra ny toerana fikirakirana ny antso an-tariby

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa hisokatra tsy ho ela ny ivontoerana fikirakirana ny antso an-tariby (CRRA) hanampy amin’ny vonjy voina mahazo ny olona tampoka ivelan’ny hopitaly. Efa miofana ireo mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra izany mba ho tena fahombiazana sy hisy fiantraikany amin’ny fanavotana ain’olona ny fisian’izy ireo. Nanazava ny profesora Rakotoarison Nicole, talen’ny Dcamum fa maro ny […]

Seces Antananarivo : nitondra vahaolana ny « cellule de crise »

Manoloana ny toe-draharaha manahirana lalovan’ny firenena ankehitriny, mijoro ny Seces sampana Antananarivo, amin’ny alalan’ny « cellule de crise ». Mitondra soso-kevitra ho fanarenana ny firenena, araka ny fanambarana nataony, omaly. Anisan’ny niantefan’izany ny fanabeazana, fampianarana, fampiofanana, fikarohana. Olana ny tsy fametrahana rafi-pampianarana sy rafi-panabeazana mazava sy mahomby avy amin’ny fitondrana […]

Zava-mahadomelina : miasa ny toeram-pitsaboana ny fiankinan-doha

Efa am-perinasa ny ivontoerana handraisana ny mpidoroka zava-mahadomelina, eny Itaosy. Nitokana ny foto-drafitrasa ny filohan’ny Repoblika mivady. Notokanana, omaly, teny amin’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, distrikan’Atsimon­dra­no ny ivontoerana fandraisana an-tanana ireo olona te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina (sigara, paraky, rongony ma­hery vaika (rôrô). Ha­nampy manokana ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy […]

Ampahibe: fikaonandoha momba ny TCA

Notanterahina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe, teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny fivoriana fampiharana eto Madagasikara ny fifanarahana ara-barotra momba ny fitaovam-piadiana na “traité sur le commerce des armes” (TCA). Nanatrika izany ireo delegasiona mamita iraka eto Madagasikara. Toy ny avy amin’ny Firenena mikambana, ny Vondrona eoropeana […]

Herinandron’ny Haratonaina : hatao eto Atananarivo ny fakan-kevitra

Hofaranana eto Antanana­rivo, ny 6 hatramin’ny 8 jolay izao, ny “Herinandron’ny Hara­tonaina”. Mikarakara izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hisy ny fakan-kevitra hiantsoana ny rehetra ahafahana manao tombana sy manatsara ny dingana manaraka. Hatao etsy amin’ny Parvis, Lapan’ny Tanàna, Analakely ny hetsika. Hisy […]