Mikarakara cours maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Miandraikitra izany ny sampandraharaha misahana ny sosialy sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 7 jolay ny fanampiana ireo mpiadina. Manomboka amin’ny 8 ka hatramin’ny 12 atoandro. Hizara roa ny toerana hanatanterahana izany. Hisy […]
Fiaraha-monina
Fanadinam-panjakana BEPC : 25 001 ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra
Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 6 jolay ny fanadinana BEPC. Efa miomana amin’ny fiatrehana izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Cisco manerana ny Nosy. Mahatratra 25 001 ny mpiadina BEPC hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 35 manana efitrano 632, eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 21 218 nisafidy ny sokajy A. Mizara safidy telo arakaraka […]
Association Enfants Antananarivo: mbola betsaka ny ankizy tsy misitraka ny zony eto amintsika
Hifarana ny 29 jona ho avy izao ny hetsika fampirantiana sary hosodoko hanehoana ny zon’ny ankizy, atao etsy amin’ ny zaridainan’Antaninarenina. Nandray an-tanana nanao izany, ireo ankizy rehetra eo anivon’ny Association enfants Antananarivo (AEA). Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Izaho sy ny zo”. “Mbola betsaka ny ankizy malagasy tsy misitraka ny […]
Fahasalamana : 30 taona nandrindra fiainam-pianakaviana ny Marie Stopes
Manamarika ny faha-30 taona niaraha-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Marie Stopes Madagascar (MSI). Nampiroborobo ny fandrindram-piterahana no tena nampalaza azy. Tany amin’ny taona 1992, teo amin’ny 5% ny tahan’ny fanaovana fandrindram-piterahana moderina. Efa manakaiky ny 55% izany amin’izao fotoana. “Tsy tokony hiteraka miohatra ny 2 intsony ny tokantrano satria izay […]
Tetikasa Power : vehivavy 250 nahazo fiofanana
Nikarakara atrikasa tao Antsirabe, ny Antenimieran’ny varotra amerikanina eto Madagasikara (AmCham) sy ny masoivoho amerikanina, ny herinandro lasa teo. Nentina nifampizarana fahalalana sy nanamafy ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fandraharahana izany. Nandray anjara ny vehivavy mpandraharaha maherin’ny 70 avy ao Antsirabe sy ny manodidina. Naharitra telo andro ny atrikasa izay […]





