Tafiditra amin’ny tetikasa “Nosy Manga” ny fambolena lomotra (rhydophyta) any an-dranomasina ary asa vaovao ho an’ny olona mpanjono miaina amin’ny morontsiraka. Tany amin’ny kaominina Sarodrano, Toliara II no natomboka ny tetikasa ary rehefa hita fa nahomby sy nahaliana ny tokantrano maro vao nitarina ho an’ny kaominina maromaro ka anisany ny […]
Fiaraha-monina
Faritra Atsimo Andrefana: mamelona fianakaviana 1500 ny fambolena lomotra mena ho an’ny toeram-pambolena 44
Foto-pivelomana mivantana ho an’ny olona an-tapitrisany ny jono any amorontsiraka. Vokatry ny tsindry samihafa ataon’ny olombelona amin’ny fampiasana fitaovana sy fomba tsy manara-penitra, nihena be ny hazandranomasina ary nisy fiantraikany amin’ny fiveloman’ny isan-tokantrano. Ho fanampiana azy ireo ho tonga mpandraharaha an-dranomasina, nisy tetikasa “Nosy Manga” amin’ny alalan’ny fambolena lomotra sy […]
Kaominina Anakao: hametraka faritra arovana ny mponina
Fokontany efatra no mandrafitra ny kaominina Anakao: Anakao Bas, Anakao Haut, Maromena ary Befasy. Vezo ny ankamaroan’ny mponina ao aminy izay mivelona amin’ny fanjonoana avokoa, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany Anakao Bas, Zafisoa Flanck. Mitondra fivoarana ho an’ny fokontany sy ny kaominina ny fambolena lomotra satria efa nihena be ny […]
Vao nivoaka ny fonja… Tratra nivarotra héroïne sahady izy roa lahy
Tsy mety fay mihitsy! Vao nivoaka ny fonja ny 15 jona 2023 noho ny fivarotana héroïne ireto jiolahy ireto. Niverina nanohy ny asa ratsiny sahady ka naverina any am-ponja indray… Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup), teny Ampandrana Atsinanana, ny 20 jona 2023 teo, ireo roa […]
Hoavin’ny ankizy malagasy: hamafisina ny ady amin’ny zava-mahadomelina
Nikarakara adihevitra ho an’ny manampahaizana sy tomponandraikitra ambony maro, ny teo anivon’ny Sos Villages d’enfants, afakomaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nodinihina nandritra izany ny fomba hatao mikasika ny fihanaky ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Tanjona ny hijerena paikady entina hisorohana izany eo am-pijerena ny hoavin’ny ankizy rahampitso. Mitsindrona zava-mahadomelina sahady […]





