Fiaraha-monina

CEPE 2023: hivoaka mialoha ny 26 jona ny valim-panadinana

“Hoezahina hivoaka mialoha ny fetin’ny fahaleovantena ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy”, hoy ny tale jeneralin’ny toeram-pampianarana eto Madagasikara, Ranosy Eliane, omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha. Henjana ny asa amin’ny fampidirana ny naotin’ny mpiadina 515 081 amin’ny ordinatera izay nanomboka omaly, teny anivon’ny Cisco 114 manerana ny Nosy. Aorian’ny fampidirana ny […]

Amin’ny alatsinainy: maromaro ny lalana ho tapaka eto Antananarivo

Nametraka fandaminana manokana ny tanànan’Antananarivo ho an’ny fifamoivoizana hampirindra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Maromaro ny lalana ho tapaka mandritra izany.  Nofoanana anaty fotoana voafetra ireo toeram-piantsonana maromaro amin’ny alatsinainy 26 jona izao manomboka amin’ny 6 ora maraina mandra-pahatapitry ny lanonana eny Mahamasina. Foana ny fiantsonana eo amin’ny lalana Rajoelina, […]

Tetikasa Sandratra: reny marefo 900 hofanina

Tontosa omaly tetsy Ampefiloha ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arak’asa ary ny Aide et action. Antony, ny ahafahana manatanteraka ny tetikasa “Sandratra”. Hiompana amin’ny fampiofanana ireo vehivavy mananon-tena, voailika eny anivon’ny fiarahamonina, tsy an’asa ary tsy nianatra ny tetikasa. Tanjona […]

Tily eto Madagasikara: tanora 105 niofana momba ny landy sy ny rafia

Nifarimbona nanofana tanora 105 amin’ny fandraharahana mifototra amin’ny asa tanana ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny asa ary ny fikambanana skoto Tily eto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny tanànan’Amboalefoka, distrikan’i Miarinarivo. Nifototra tamin’ny sehatra fanodinana ny landy ny fanofanana, izay miara-dalana amin’ny fiarovana ny ala tapia efa mitady […]

Ambodivonkely Ambohimanarina : lalana rarivato 800 m notokanana

Nivaly ny fangatahan’ny mponina eny Ambodivon­kely, boriborintany faha-6. Vita ka notokanana, omaly, ny lalana rarivato mirefy 800 me­tatra. Hanamaivana ny andavanandron’izy ireo izao fotodrafitrasa vita izao. Tonga teny an-toerana nitokana izany ny Gover­noran’ny faritra Analaman­ga, Rasoa­ma­ro­maka Hery. Ni­ara­ka taminy ny ben’ny Tanà­nan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Na­notrona azy ireo kosa ny […]