Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fitokana-monina na “conclave”, araka ny fandaharam-potoana sy ny lamina napetraky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hanatanteraka «quarantaine», araka izany, ireo mpanomana ny laza adina amin’ny fanadinana bakalorea. Toy ny fanao isan-taona, misy ny fivoriana iarahan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana : nihena 25% ny tahan’ny olona mararin’ny tazomoka
Natao tany farafangana ny fanamarihana ny Andro iadiana amin’ny aretina tazomoka, tamin’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fa mahomby ny ezaka satria nihena 25% ny tahan’ny olona voan’izany (1,7 tapitrisa) raha 2,3 tapitrisa teo aloha. Tafiditra ao anatin’ny tatitra isan-taona faha-17 nataon’ ny vinan’ny filoha Amerikanina momba ny ady amin’ny tazomoka […]
Tafajoro ny Aika : hitondra ny feon’ny tanora amin’ny COP 28
Nampahafantarina teny Ambodivona, omaly, ny fijoroan’ny Aika, ivondronan’ny fikambanana tanora 50 misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina voajanahary an-tanety sy anaty rano ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. «Samy efa manana drafitrasa mampiavaka azy avy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fa havondrona ny hery […]
Fampianarana ambony : manamafy ny hampikatso ny fampianarana ny Seces
Hampihatra avy hatrany ny hevitra tapaka nandritra ny filankevi-pirenena ny Seces. Hanangana « Cellule de crise » ihany koa izy handinika ny raharaham-pirenena. Nivory ny sampana Seces Antananarivo, ny talata teo. Manamafy ny fe-potoana tapaka nandritra ny filankevi-pirenena hamalian’ny fitondram-panjakana ny fitakian’ny Seces ireo zo sy hasiny izy ireo hatramin’ny […]
Fitaterana an-tariby : efa am-perinasa ny teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy
Miroso ny asa, efa tonga ny “cabine” ho an’ny teleferika, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra, omaly. Nanome toky izy ireo fa efa am-perinasa ny teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy. Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard. Niara-dalana taminy ny teknisianina. Nidina ifotony […]





