Nisitraka fitaovana ara-medikaly, na “Petite Chirurgie”, tamin’ny malala-tanana avy any Suisse ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Natolotra ny departemanta misahana ny sosialy sy ny fahasalamana, afakomaly, izany. “Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana eny anivon’ny CSBII iandraiketan’ny kaominina ny fitaovana vaovao”, hoy ny talen’ny departemanta eo anivon’ny CUA, Raharinandrasana Hajatiana. Mifanaraka indrindra amin’ny […]
Fiaraha-monina
Boriborintany 6: zazalahy 1 500 hoforaina maimaimpoana
Nosantarina, omaly, tetsy amin’ny BMH Isotry, ny hetsika didim-poitra faobe karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Miandraikitra izany ny departemanta misahana ny sosialy sy ny fahasalamana. Tonga teny an-toerana ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ny mpiara-miasa aminy. Hitety ny CSB II eny amin’ny boriborintany 6 ny hetsika. Hitohy hatramin’ny faran’ny volana […]
Mpiadina CEPE: nomena “transcripteur” manokana ireo manana fahasembanana
99 ireo mpiadina manana fahasembanana niatrika CEPE, omaly, manerana ny Nosy. Nisy ny fepetra manokana ho azy ireo nahafahana niadina tamim-pilaminana. Roa ny mpiadina manana fahasembanana niatrika CEPE, tetsy amin’ny foibe CEG Avaradoha, omaly. Miaina miaraka amin’ny fahasembanana ara-tsaina izy ireo. “Miteraka tsy fifantohana ka mila «transcripteur» mandika ny laza […]
Ambohitrandriamanjaka : nisitraka toeram-pidiovana ny EPP
Notokanana, omaly, ny toeram-pidiovana sy fahadiovana ary ny rano fisotro madio ho an’ny EPP Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova, distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Natao manara-penitra ny fotodrafitrasa ahafahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mahazo tombony ara-pahasalamana sy manaraka ny fepetra ho an’ny fahadiovana. Niarahana tamin’ny fandaharanasa “Madio Tom” sy ny Fondation Axian ary […]
Reny sy ny zaza : tomban’ezaky ny asan’ny fikambanana Mahavagno
Feno dimy taona ny fikambanana Mahavagno, ivondronan’ny vehivavy avy any Atsimo Atsinanana (Grand Sud-Est). Mifantoka amin’ny sehatry ny sosialy ny fikambanana, ka laharam-pahamehana ny reny sy ny zaza. Natao ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny tomban’ezaka vitan’ny Mahavagno. Mampiavaka azy ny tsy fanavahana loko politika, […]





