Fiaraha-monina

Fanadinana CEPE 2023: 70 taona ny mpiadina zokiny indrindra

Hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina miisa 515 081 manerana ny Nosy, anio tontolo andro. Efa vonona ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana handraisana azy ireo eny amin’ny foibem-panadinana. Momba ny lamina, tsy afaka miditra amin’ny foibem-panadinana ireo mpanaraka ary olona iray ihany no manatitra ny sakafo atoandro hitandroana ny filaminana. Ampy […]

Fampianarana ambony : nalefa isaky ny oniversite ny karaman’ny mpampianatra an-tselika

Nahita vahaolana ihany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony manoloana ny olan’ny karaman’ny mpampianatra sy ny tambin-karaman’izy ireo. Taorian’ny fanambaran’ ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka nan­dritra ny filankevi-pirenena fa hiteraka fampikatsoana ny asa fampianarana sy fikatonan’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana ny tsy fandoavan’ ny fanjakana ny karaman’ny mpampianatra an-tselika (va­ca­taire) sy ireo mpikaroka […]

Mandritra ny CEPE : hanjaka ny zavona maraina

Nitsoka ny varatraza ny fa­ran’ny herinandro. Nihana­lefaka izany manomboka anio, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro eny Am­pan­drianomby, omaly. Ho an’ny anio, nihanalefaka ny tsiokan’ny varatraza. Mahatonga izany ny fisian’ny rindrin-drahona ao amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mbola hahazo orana malefaka any Sava sy Analanjirofo. Ho maina ny […]

Usaid- Tetikasa “Rindra” : Kaominina 100 manerana ny Nosy hahazo tombony

Kaominina 100 no misitraka ny tetitasa «  Rindra » ma­nerana ny Nosy, izay tohan’ny Sampandraharaha Ame­ri­kana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid). Mba ho fanamafisana izany, nisy atrikasa telo samihafa, naharitra hateloana ta­ny Analanjirofo. Nandra­kotra ireo distrika telo sy kaominina 14 misy ny tetikasa “Rindra” izany. Ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana […]

Fiteny anglisy: mpitarika fikambanana 30 nahazo fiofanana

Nifarana tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny atrikasa fiofanana nokarakarain’ny governemanta Ame­rikana. Nisitraka izany ireo mpitarika English club moderator training (ECMT) 30 avy any an-toerana.Tanjona ny hanatsarana sy hamehezana ny fahaizan’ny mpianatra ny teny anglisy Amerikana. Niavaka ny fiofanana satria nomena azy ireo ny teknika rehetra ahafehezana ny fitenenana, […]