Ho tanterahana rahampitso manerana ny Nosy ny fanadinana CEPE. Afaka nijery ny efitrano hiadinany ny mpiadina nanomboka omaly. Efa voazara avokoa ny taratasy fiantsoana ho an’ny tsirairay hatry ny faran’ny herinandro lasa teo. Ho an’ireo mpiadina manana olana, tsy nahazo ny taratasy fiantsoana noho ny tsy fandoavana saram-pianarana, mila manatona […]
Fiaraha-monina
Iray volan’ny ankizy : maneho ny hetahetany i Bertrand, zaza varira
Zanak’olona sahirana mipetraka any ambanivohitr’i Faradofay i Bertrand. 15 taona izy ary kilasy fahadimy. Hanala fanadinanana CEPE avy hatrany izy amin’ny talata izao. 5 mianadahy izy ireo no zanaky ny ray aman-dreniny ary samy varira avokoa. Efa indroa nisy naka an-keriny i Bertrand saingy avotra teo am-pelatanan’ny olon-dratsy hatrany. Nisy […]
Fanomanana ny CEPE : tara vao tonga ny vola hividianana fitaovana
Nitaraina ireo talen-tsekoly tsy miankina sasany rehefa naka ny taratasy fiantsoana ny mpiadina ao aminy fa nangataka vola hanampiana amin’ny fampandehanana ny fanadinana ny lehiben’ny foibem-panadinana. Tara ny fahatongavan’ny vola avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka 20% amin’ny sora-bola ilaina aloha no eo am-pelatanan’ny tomponandraikitry ny foibem-panadinana. 200 Ar ka hatramin’ny […]
Tetiandrom-pampianarana: angatahan’ny mpampianatra ny hiverenan’ny tombana isaky ny telo volana
Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy Mahamasina, ny fivoriana ho fanapahana ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Niarahana tamin’ny sekoly miahy tena sy sekolim-pinoana izany, ahafahana maka ny hevitry ny rehetra. Tamin’izany no nahitana ny fanehoan-kevitr’ireo mpampianatra ny hiverenana indray amin’ny fampiharana ny fanaovana tombana isaky ny telo volana fa […]
Antananarivo Renivohitra: 40 isan’andro ireo taxi-be anaovana fitsirihana
Namoaka naoty vaovao hanamafisana ny fitsirihana ho an’ireo fiara fitaterana iombonana eto an-drenivohitra ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Niverina nanomboka ny volana desambra 2021 lasa teo izany, taorian’ny fangatahan’ireo kaoperativa teo anivon’ny fitaterana iombonana eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 40 isan’andro ireo Taxi-be manao fitsirihana “visite de conformité » eny amin’ny […]





