Fiaraha-monina

Fangerana ankalamanjana : « Tokony hogadraina ireo mpanao maloto hampahomby ny ady »

Sahirana ireo olona hiondrana handray « vedette » na lakana eo amin’ny seranan-dakana eo Mahavatse II, ao anatin’ny kaominina ambonivohitra Toliara amin’ny fofona (vokatry ny tay miparitaka) sy ny loto miparitaka eo an-toerana. Efa nataon’ny mpitantana ny tanàna ho laharam-pahamehana ny fahadiovana sy ny ady amin’ny fangerena ankalamanjana fa mbola sarotra ny […]

Fetin’ny fahaleovantena : nanokana kermesy ho an’ny rehetra ny mpitandro ny filaminana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kermesy lehibe iombonan’ny mpitandro ny filaminana, atao eny amin’ny kianjan’i betongolo. Haharitra 10 andro, nanomboka omaly ary hifarana ny 26 jona hoavy izao. Tanjona ny hisian’ny fiombonam-po eo amin’ny va­hoaka malagasy mandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ ny fetin’ny fahaleovantena. Nambaran’ny minis­try ny fiarovam-pirenena, jeneraly […]

Tetikasa Haraton’Aina ao Farafangana : manomboka miarindoha ireo fianakaviana marefo

Faritra lasibatry ny rivodoza matetika ny ao Atsimo Atsinanana. Marefo vokatr’izany ireo ankohonana ka hiasa amin’ny tetikasa fiahiana sosialy. Miarindoha tsikelikely ireo ankohonana tena tafalatsaka anaty fahantrana lalina teo aloha. Miezaka mitazona ny paikady nomena rehetra izy ireo hahaleo tena ara-pivelomana manomboka izao. Fotoan-dehibe ho an’ ny distrikan’i Fara­fangana, faritra […]

ONG Gret : Omen-danja ny asa sosialy

Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany teto amin’ny Nosy, ny ONG Gret amin’izao fotoana izao. Mandalo eto Madagasikara, araka izany, ny tale iraisam-pirenen’ny ONG ka nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny asa sosialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton. Nodinihina nandritra izany, ny zava-bita tao anatin’ ny fotoana nisian’izy ireo. “Nomen-danja ireo orinasa […]