Indraimbava

Mba tsy misy hadino…  

Tsy moramora ny fiatrehan’ny vahoaka ny fiainana andavanandro. Ao anaty fahasahiranana lava… Vao main­ka mafimafy izany amin’izao? Eo, ohatra, ny fizakana ny fampidirana mpianatra. Toy izany koa ny fisiana fanahiana sahady ny amin’ny famatsian-jiro sy rano ao anatin’ny maintany. Eny, na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza. Efa misy ny fitsinjovana […]

Arenina ny lesoka !

  Hifarana ny herinandro, milamindamina ny tanàna. Nizotra tamim-pilaminana ny fampidirana ny mpianatra, na ny sekoly manaraka fandaharana frantsay, na ny mpandala ny rafitra malagasy 100 %. Nandeha tsy nisy olana ny ankamaroan’ny teny anivon’ny sekoly na mbola maro aza ny kiana sy ny fanamarihana avy amin’ny ray aman-dreny noho […]

Mivaro-panahy

  Tafahoatra ny finoanoam-poana ankehitriny! Miroborobo sy mahazo vahana eny amin’ny haino vaky jery sy tambajotran-tserasera ny dokambarotra mahakasika fitsaboana “hafahafa”. Tsy tambo isaina ry “mama ranona” sy “dada ranona” mpanasitrana. Manginy fotsiny ry “tantine” sy “tonton” mpitaiza masina! Mandroboka sy manodoka ery ny filazana fa mahay fahagagana mitondra soa. […]

Tsy soa fianatsa!

  Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fikomiana nataon’ny mponina ao Nepal, omaly. Nodoran’ny olona velona ny vadin’ny praiminisitra. Nifanenjehana manerana ny tanàna ny minisitry ny Fitantanam-bola. Nopotipote­hin’ny olona ny lapam-panjakana sy ny toerana noheverina ho fanangonana ny haremben’ny mpitondra. Niaiky ny faharomotan’ny olona ireo mpanara-baovao. Mampihorin-koditra tokoa, tena hoe miverina aotra […]

Tokony hifandanja

  Raha misy sehatra iray manana ny maha izy azy sy misongadina amin’izao fotoana izao dia ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny resaka diplaomasia. Tsy iadian-kevitra ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena misongadina tokoa ilay firenena, manoloana ny mpifanandrina. Tsy amin’ny sehatra kaontinantaly ihany fa manerana an’izao tontolo izao. Tsy mena-mitaha […]