Miezaka ny mamokatra tantaram-pirenena vaovao ho an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fambolena hetsika toy ny tany Nepal ny mpanohitra fitondrana. Tao anatin’ny andro vitsy, mitady hirika ny handrehetana ny afo izy ireo. Mipoitra tsikelikely ny fikotrehana hetsi-bahoaka, mialoka eo ambanin’ny olana sosialy mianjady amin’ny vahoaka. Misy ny sokajin’olona mitady hijapy […]
Indraimbava
Mahaiza mankafy!
Maro dia maro ny trangam-piarahamonina miseholany etsy sy eroa. Mahazo vahana ny ratsy, mihabetsaka ny matimaty fahatany sy mamoy ny ainy tsy lera kanefa tsy manan-tsiny. Mirongatra ny fialonana sy ny fitiavan-karena diso tafahoatra. Mibitsika tsy manam-piafarana ny devolin’ny haratsiam-panahy. Tsy mahagaga raha mijininika amin’ny fomba samihafa ny ra. Tena mahakivy […]
Mba misy vidiny!
Nampivarahontsana ny mpanara-baovao, omaly, ny lozam-pifamoivoizana iray teny Talatan’i Volonondry. Tapitr’andro tamin’ny tsy nampoizina ny raim-pianakaviana sy ny zaza vao iray taona monja. Ny renim-pianakaviana mbola voa mafimafy, miady amin’ny fahafatesana. Indray mipi-maso, folaka andry niankinana, namoy menaky ny aina. Tena mampahonena. Raha ny antony niteraka ny loza dia […]
Tsy misangy ny natiora
Manahirana be ihany ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Tena efa iainana sy tsy azo ialana izany. Nampimenomenona ny rehetra ny hatsiaka be narahina erika matevina, omaly. Izay nizitizity vao maraina aloha dia niaritra ny hirifiry hatrany anaty taolana. Tena hoe nivadika ankitsirano izany. Nitarika karazan’aretina avy hatrany ho an’ny […]
Hamantam-bonona?
Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Tsy arakaraky ny hevi-diso ketrehin’ireo milaza azy ho mpanohitra. Tsy vitan’izay fa mbola any an-dafindriaka, tsy afa-manao na inona na inona no be vava. Manao fampirisihan-diso ny vahoaka izay efa mahatsapa fivoarana eto amin’ny tanàna. Efa leom-boananana amin’ny hafitsoky ny mpilalao politika […]




