Indraimbava

Mitonia ry Malagasy !

  Nirehitra indray ny tanàna omaly. Mitomany sy mitanondrika indray i Madagasikara. Fitakiana amim-pilaminana, noheverina fa handamina no nivadika. Fifamo­noana sy fandrobana no niafarany, halina. Nanao izay danin’ny kibony indray ny olona marobe. Nanararaotra ny andro alina sy ny fialan’ny mpitandro filaminana. Asa fa dia nampiseho fa tena noana sy […]

Mahaiza misafidy

  Migadona ny andro izay voalaza fa hisian’ny fitakiana goavam-be iarahan’ny olona milaza fa leo delestazy sy fahatapahan-drano. Inona tokoa re no hiseho? Raha ny tambajotran-tserasera izany aloha dia hoe toa ” baomba be” ilay izy. Tena mientanentana ery izato tanora sy ny mpilaravinahitra mandrehitra afo. Mampanahy ny zava-misy ka […]

Tsy miady an-trano!

  Mahavariana sy mampametra-panontaniana ny kajikajy politika misy amin’izao fotoana izao. Nivadika ho adilahin’ny mpitady seza sy ny samy mpitady korontana ny resaka momba ny « leo delestazy sy rano tapaka ». Ao dia mifandramatra sy mitady hifamono an-kitsirano ao, na ny mpomba na ny mpanohitra fitondrana, ao amin’ny tambajotran-tserasera. Angaha tsy […]

Tsy voatery miteny foana

  Mandalo ambana amin’ny mety hisiana krizy sosialy isika eto Madagasikara, amin’izao fotoana. Mahazo vahana sy miseho tsikelikely ny fikotrokotrohana korontana. Misy mitady hampirehitra ny afo mahakasika fanoherana ireo olana mianjady amin’ny andavanandron’ny mponina. Manomboka misy mampiaka-peo ny tsy faly amin’ny jiro sy rano tapaka. Ny fidiram-bola maty noho izany. […]

Vao manomboka izao…

  Mampikaikaika sy mampiferotra aina ny maro amin’ izao ny fahatapahan-jiro tsy misy farany. Mandra-pahoviana ? Toy izany koa ny fahasahiranana amin’ny fisitrahana rano araka ny tokony ho izy. Ao anatin’ny hafanana be vao ifampitadiavana rano? Saika izay hatrany… Misy manomboka milaza sahady fa vao manomboka io. Mihasarotra sy mihamafy… […]