Nanamarika ny omaly ny fandresen’ny diplaomasia mahakasika ny kolontsaina sy politika malagasy. Efa nigadona an-tanindrazana, omaly, ny kabeson’ny Ampanjakaben’ny foko Sakalava: Toera. Nanome lanja manokana izany rahateo ny filohan’ny Repoblika. Taratry ny maha zava-dehibe ny fampodiana azy sy ny miaramila mpitari-tafika roa lahy niaraka taminy izany. Mariky ny fiverenan’ny […]
Indraimbava
Mijinja izay nafafy
Hafa raha samy hafa ny fihodin’ny tantaram-piainana ho an’ny mpilalao sy ny ekipa teknikan’ny Barean’i Madagasikara, vao nahazo ny maha tompondaka lefitr’i Afrika. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, lasa mpanefoefo sy « ngahy ndriana » kely ry zalahy. Hahazo villa amin’ny tanàna raitra dia raitra, mbola nomena volabe tamin’ny baoritra nentina nody, […]
Voninahi-pirenena
Hatramin’ny fotoana farany, niady mafy ho fiarovana ny voninahi-pirenena ny ekipa malagasy amin’ny baolina kitra, tamin’iny Chan 2024 iny. Tsy nitsanga-menatra. Vidin-kaja, vidim-boninahitra. Tsy vitan’izay, nampiombom-po sy nampiray hina ny Malagasy ny baolina kitra rehefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ireny. Ny voninahi-pirenena no iadiana sy arovana. Izay koa […]
Miara-mirona
Raikitra! Anio ny fotoana hanoratan’i Madagasikara tantara eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Mino sy matoky isika Malagasy fa hitondra ny amboara mody amin’ny lalaon’ny Chan, taranja baolina kitra. Tsy hisy ahatohitra akory izany hafanam-pon’ny vahoaka 30 tapitrisa izany. Onja miabo faobe no entintsika manohana ny maherifontsika. Miara-mirona ara-bakiteny. Vanim-potoana ny […]
Fitiavana no lehibe indrindra
Omaly ihany dia efa feno ny toerana ho an’ireo olona handeha hanohana ny ekipam-pirenentsika, Barean’i Madagasikara, any Kenya. Manginy fotsiny ireo mbola misisika ny handeha. Tsy mampaninona azy ireny ny handoa volabe efa mihoatra ny 2 tapitrisa Ariary. Entanim-pitiavana tokoa. Ankoatra ny mpanefoefo, betsaka ny entanim-pitiavana ka mamorona ny […]




