Manomboka maresaka ny tanàna! Miditra mianatra rahateo ny mpianatra. Miverina amin’ny fomba fiaina mahazatra amin’izay ny sarambabem-bahoaka. Miverina ny fifohazana maraina, ny fanenjehana fiara fitateram-bahoaka, indrindra ny fanaterana sy fakana mpianatra. Soa ihany fa somary voafehy ny fitandroana ny filaminana, mbola tsy miova ny saran-dalana. Ny vidim-piainana efa iarahan’ny rehetra […]
Indraimbava
Fa na beazana…
8 septambra, Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny firenena. Eo ny hoe ny tsy fahalalana ny tsy fahalalan’ny tena no tsy fahalalana voalohany. Ilaina mandrakariva ny mianatra, mahay… 8 septambra, fidiran’ny mpianatra koa amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Amin’ny […]
Ady amin’ny fahantrana
Tsy misy tsy mikaikaika fa sarotra ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Indrindra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao… Eo koa ny maitsoahitra atsy ho atsy. Mby amin’ny fijerin’ny mpandinika sasany hoe misy ary be loatra ny elanelana eo amin’ny manana sy ny mahantra. Tsy misy na tsy firy ny eo anelanelany. […]
Samia mitandrina !
Tena zava-doza, mitohy mandrakizao ny maty vokatry ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo. Niampy iray ny teny Ambohimalaza, nisy roa teny Ampitatafika. Tsy mbola fantatra mazava ny toe-javamisy marina, manodidina ireo. Ilay afera nalazabe iny aza nivadika ho tantara indray miseho. Nangina ary mety hangina mandrakizay. Ny maty aleo mba […]
Matin’ny sitrany ahay!
Miseholany, tsy misy fiafarany ny lozam-pifamoivoizana etsy sy eroa. Tampoka sy tsy mampilaza fa indray mipi-maso dia any anaty hantsana. Ny maratra maratra, ny miady aina miady aina, ny maty moa dia any Ambondrombe avy hatrany. Tsy misy fampilazana, na antony bitika aza dia mampiditrandro. Mila fitandremana sy fiambenana […]




