Indraimbava

Maka lesona!

  Afakampitso no hiakatra kianja indray ny Barean’i Madagasikara. Mbola mamerovero sy tsy mety lefy ny hafalian’ny mpiray tanindrazana. Mipololotra avy ao anaty ny fahasambaran’ny vahoaka 30 tapitrisa manerana ny Nosy. Na inona na inona satam-piarahamonina, na manao ahoana na ahoana ny fari-piainana dia Barea ihany no resaka. Ankoatra ny voka-dalao […]

Fiainam-bahoaka aloha…

  Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piai­nana, famatsian-jiro sy rano… Mbola mampikaikaika ny maro eny ifotony. Mby aiza ny vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… ? Na izay fihatsaram-piainana ahay… Efa mba misy hita sy tsapa? Na mifanitsy amin’ny filan’ ny vahoaka amin’ny hoe fampandrosoana izay atao sy imasoan’ny fitondram-panjakana isan-tsehatra sy isan’am­baratonga. […]

Fongory izay fahavalon’ny tany  

Raha ny antontanisa farany navoakan’ireo sampandraharaha miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly dia mihemotra i Madagasikara. Mirongatra amin’ny sehatra maro izany rangory fototry ny afo amin’ny fahalovan’ny fiarahamonina izany. Manao izay danin’ny kibony ireo manampahefana isan-tsokajiny. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny trondro vaventy. Tsy maty manota. Mandroba dia lasa […]

Fanabeazana

  Hoy ny mpandinika iray izay: voalohany ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana; faharoa, ny fanabeazana; fahatelo, ny fanabeazana. Tsy azo ihodivirana ny maha olona. Izay mitranga sy ataon’ny tsirairay, azo lazaina fa vokatry ny fanabeazana sy izay nodiaviny. Mitaiza sy manabe avokoa izay iainana fa tsy ny any […]

Fiainam-bahoaka

  Tsy tohinina ho azy ny ankamaroan’ny olona amin’ izao fotoana izao? Misy tena kizitina, mora tezitra, tsy ifandaharana… Tsy vitan’izany, zava-tsy inona rehetra izao: mety hampifamaly sy hampiady. Tsy inona koa dia mety haharatra ny tena; eny, mety hamoizana aina aza noho ny afitsoky ny mpanendaka sy ny mpanao […]