Efa hiditra indray izao ny mpianatra. Afaka herinandro vitsy dia raikitra ny hazakazaka arahin-tosika. Fifohazana maraina, fanaterana mpianatra, fitadiavana izay hohanina, sns. Mialoha izany, efa mampivadika atidoha sy mampijaly saina ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly. Volabe tsy tambo isaina no mivoaka amin’ny poketran-dramatoa na rangahy. Tena mijafajafa ny ray aman-dreny. […]
Indraimbava
Milamina ny tany
Tsy ny tanàna ihany no niova, fa tsapa tao anatin’ny fotoana lavalava izay fa mandry sy milamindamina ny tanàna. Nahatsapana izany ny eto an-dRenivohitra, izay latsaka ny tahan’ny fandikan-dalàna miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sy ny avy amin’ny loharanom-baovao ofisialy. Manahirana ny mitady vaovaon’ny trangam-piarahamonina ho an’ny mpanjifa. Misy fiantraikany lehibe […]
Tsy hiasa jamba rafozana
Vita izay ny fombafomba sy ny lanonana nametrahana ny filohan’ny Sadc. Ampy kosa angamba ny kifetifety fa andao hiasa amin’izay. Iza no tsy miandrandra zavatra tsara maro amin’izao maha lohan’ny vondron’ny firenena aty atsimon’i Afrika an’i Madagasikara izao? Iaraha-mahalala fa tombony goavana maro no ao ambadiky ny fametrahana an’i […]
Tsy ny Malagasy samirery !
Mahita lazaina foana ny olombelona! Tsy mety afapo amin’izay mitranga. Resabe indray hatry ny omaly ny mahakasika ny tsy fahatongavan’ny antsasa-manilan’ireo filoham-pirenena mandrafitra ny Sadc, afakomaly. Entina hanatsatsoana ny ezaka goavambe vitan’i Madagasikara sy ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nahatonga solontena avokoa anefa izy rehetra fa tsy […]
Hafa ny taloha
Arahaba soa, arahaba tsara… Tanteraka soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc. Tsy nampitsanga-menatra. Vidin-kaja, vidim-boninahitra… Iza, hono, rey olona, no mahazo izany eo imason’izao tontolo izao. I Madagasikara manontolo sy ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, fa tsy ny mpitondra ihany. Tonga amin’izany ve ny fivelaran-tsain’ ny […]




