Eo no ho eo ny fiantraikany! Ny hetsika ara-javakanto sy kolontsaina sy ny fizahantany no lasibatra voalohany vao misy savorovoro eto amin’ ny firenena. Vao nitranga ny savorovoro, omaly, dia maro ireo mpikarakara nanao fanambarana avy hatrany fa foana na hahemotra amin’ny fotoana mahamety azy ny hetsika. Anisan’izany ny antsan-tononkalo […]
kolon-tsaina
Fi.Mpi.Ma : Hanofana momba ny fiatrehana olana
Mitohy hatrany ireo karazana fiofanana omen’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Rahampitso 27 septambra, manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva, hanazava sy hampiofana momba ny lohahevitra « Fomba fiatrehana olana » ny filoha mpanampy eo anivon’ny foibe Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany, Razanamasy Tsikitsiky. Tafiditra ao anatin’ny fanatevenam-pahalalana hahafahana miatrika […]
Valiha Académie – Boky : Hivoaka alohan’ny faran’ny taona ny « Valihan’Ikaky II »
30 taona katroka tamin’ity taona ity no niorenan’ny Zanabaliha izay nipoiran’ny Valiha Académie. Anisan’ny fanamby lehibe ho an’ireo nanorina ny hamoaka an-tsoratra ny voka-pikarohana. Volana jona 2025, nivoaka ny boky « Valihan’ Ikaky I”. Fantatra, omaly, fa alohan’ny faran’ity taona ity, hivoaka ny laharana faharoa na ny boky « Valihan’Ikaky II”. Tafiditra ao […]
FANTINA sy FINTINA
Nanao fanambarana fanamelohana ny nandrobana ny tranon’ny filoha nasionalin’ny Freedom, i Lalatiana Rakotondrazafy, ny eo anivon’ity antoko ity. Nambaran’izy ireo fa fialokalofana ihany ilay fitakiana jiro sy rano. « Fambolena korontana efa voaomana hatry ny ela sy hanonganana ny fanjakana ireny », hoy izy ireo. Nankasitraka ny tanora Gen Z rehetra ny […]
TARATRY ny KANTO
Hiditra ao anatin’ny andiany faha-2 ny « Bir’Art Festival ». Hetsika kolontsaina an-tanàn-dehibe tanterahina ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Ireo zavakanto fahita eny an-tanàn-dehibe no handrafitra ny fandaharam-potoana ny 26 septambra sy ny 27 septambra izao. Anisan’izany ny « parkour », « fresque murale », « danse », « percussions » ary ny « slam ». Ankoatra ireo mpanakanto avy eto an-toerana, ho […]




