kolon-tsaina

Tarika Iray Fy’Art : Hilalao tantara amin’onjampeo any Amparamanina

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Am­pa­rafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Maha­janga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy […]

Alatsinain’ny Pantekoty: hipoka avokoa ireo toeram-pialamboly

Raha tarafina amin’ny isan’ny mpijery, fahombiazana avokoa ireo fampisehoana maromaro teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Singanina indrindra amin’izany ny « Mi’sôma total » tetsy amin’ny Coliseum. Goavana indrindra na tamin’ny toerana, ny isan’ny mpijery, fa indrindra ny isan’ny tarika nifandimby an-tsehatra. Nosafidian’ny mpi­karakara manokana ireo mpanakanto be mpankafy amin’izao fotoana izao. […]

Tsiakoraka: mbola am-pon’ny mpankafy, 40 taona aty aoriana

Io i Fidy, Guerd, Liva… Tarehy nanamarika izany Tsiakoraka izany hatramin’ny nanombohany. Fihaonana na­hafaly ireo efa zokinjokiny toa azy ireo, ny seho nataon’ny tarika, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny CCEsca Anta­nimena. Fotoana namerina indray ny taloha, tsy ireo hira ihany fa indrindra ireo fahatsiarovana nentiny. Notsaroana manokana ireo mpikambana […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina tsikelikely ny famatsian-dranon’ny Jirama eto an-dRenivohitra. Nisitraka izany ny eny Nanisana, Ankadindramamy, Manjakaray hatrany Itaosy. Mbola ho avy koa ny an’ny faritra hafa, ka hisy ny famokarana rano 100m3 isan’ora fanampiny, ankoatra ny efa nosokafana ny zoma 16 mey teo, teny Mandroseza. Mitentina 13,97 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy […]