« Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny ». Naverin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry io, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Vavaka sy antsam-piderana, nentiny nahatsiarovana ihany koa ireo tanora nodimandry vokatry ny famosaviana teny Ambohimalaza. Ankoatra ireo mpanakanto ara-pilazantsara malagasy, nitondra aim-panahy ho an’ireo nanatrika […]
kolon-tsaina
« Star Tour Tanà »: tontosa ny fanamby napetraka
Hetsika vory olona, anaty filaminana. Nanodidina ny 40 000 teo ho eo ireo tonga nifety nandritra ny hateloana. Anisan’ ny fanamby voalohany napetraky ny Star io, tamin’ny « Star Tour Tanà 2025 », izay nifarana omaly. Tontosa ny fanamby, satria dia nizotra tsara ny hetsika nandritra ny hateloana, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, […]
« Festisôva » andiany fahavalo: nibata ny amboara ry Akon’ny fanantenana Tsiadana
Miakatra ny tanora mpandimby. Zavakanto miaina, mivoatra kanefa mitana ny fototra ny sôvan’Antananarivo, izay mbola tohizan’ireo tarika maro. Nanotrona, nomem-boninahitra ary nanome tsodrano kosa ireo zoky nitari-dalana ny sôvan’Antananarivo. Naresaka Andraisoro, ny sabotsy lasa teo. Vory lanona ary nila tsy hisy nodiavina ny kianja basikety teny an-toerana, nandray ny «Festisôva» […]
Volana jona: Saro-tadiavina ilay maha Malagasy
Mifanosona ny fety aman-danonana. Volana jona, volan’ny ankizy. Volan’ny teny malagasy. Volana ho an’ny fahaleovantenam-pirenena, fetin’ny mozika, sns. Samy manezaka maneho sy manasongadina izay heverina fa sehatra misy azy ny tsirairay, ny fikambanana, ireo sampandraharaha sy rafitra isan’ambaratonga isan-karazany… Saingy, hatramin’izao, mbola saro-tadiavina ilay maha Malagasy ao anatin’ireny hetsika ireny. […]
TARATRY ny KANTO
Manomboka mahazo vahana ny fitiavan’ny Malagasy ny momba azy. Saingy, maro ireo manao dingan-dava. Ny momba azy aza mbola tsy ananany fahalalana firy, kanefa, ny an’ny hafa indray no handaniany rondoha tsikeraina, hahitsy, mety hihomehezany mihitsy aza. Mbola lesoka goavana eo amin’ny fampivelarana sy fiverenana any amin’ny fototra ny tranga […]




