Tanterahina ao amin’ny Nigde Art Gallery Cappadoce, Turquie, ny 18 mey 2024, ny “Artquake 13”. Fampirantiana iraisam-pirenena handraisan’ireo mpahay kanto manana ny maha izy azy isaky ny firenena hivoizana ny lohahevitra “To be a child in Africa”. Ny mahakasika ny fiainan’ny ankizy aty Afrika no resahina sy haranty mandritra ity […]
kolon-tsaina
« Tiako i Neny » : hatao an-tsehatra ireo hira miresaka ny reny
Misy hira 35 eo ho eo hatreto no voaangona. Hira malagasy miresaka ny lohahevitra manodidina ny fitiavan-dreny sy izay mahakasika ny reny ireo. Ireny no hofohazina ka entina an-tsehatra mandritra ilay fampisehoana “Tiako i Neny”, hotontosaina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 26 mey, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. […]
« Redombe Bagasy » : hira 37 hokaloina eny an-tsehatra
Tao anatin’ny taona maro, tsy mbola nisy fampisehoana lehibe tahaka ity eo amin’ny tontolon’ny bagasy. Ampahany maneho izany ny isan’ny mpihira handray anjara. Ny fifantenana ireo hira hokaloina, sns. Mahalana vao ahitana hetsika lehibe natokana ho an’ny bagasy ranoiray tahaka ity. «Redombe Bagasy», fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena, […]
TARATRY ny KANTO
Jimmy Harrison amin’ny ilay nahafantarana azy. Anjaran’ity mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany ity no mampiala voly etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Tsy misy tsy mihaiky ny talentany amin’ny famerenana hira vahiny sy malagasy, ary vao avy nihodina tany Frantsa niaraka tamin’ny tarika Gasy Band izy. Hihaona manokana amin’ireo mpankafy […]
ny tetikasa Kanto Manabe: mitohy amin’ny fianarana sary sokitra
Ny mahakasika ny sary sokitra indray no hiseharan’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), mandritra ity volana mey ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mizara dingana telo ny fanatanterahana izany. Voalohany ny fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manaraka izany ny fiparitahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo voaofana, eny amin’ireo sekolim-panjakana sy toeram-pitaizana ankizy maro samihafa. Ao anatin’izany […]