kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

« Parts d’êtres», mirakitra asa soratry ny dokotera kolonely Horace Joëlle. Bokin-tononkalo amin’ny teny frantsay izy ity, izay nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo. Ireo zavatra hitany, tsapany ary niainany avy amin’ny fifaneraserany aman’olona no aingampahin’ity mpanoratra, mpitsabo ary miaramila manamboninahitra ambony ity. Misy lohahevitra maro voizin’ireo tononkalo tsirairay mandrafitra ny boky […]

CGM/GZ – Seho ankalamanjana : Andiany faha-15 ny « Jazz@Tohatohabato »

Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra. Fantatra, omaly, fa hiditra amin’ny andiany faha-15 ny « Jazz@­ Tohatohabato » na ilay hetsika lehibe momba ny jazz, karakarain’ny Cercle Germano-Mala­gasy/GZ (CGM/GZ), fanao isan-taona eto an-dRenivo­hitra sy ny manodidina. Ny alarobia 5 aogositra, « Jazz kids ». Hiaka-tsehatra ao amin’ny Tranompokono­lona Analakely ireo ankizy kely manan-talenta amin’ny […]

Sehon’ny tarika ‘Zay : «Hihaona indray », hisy tapakila fanampiny ho an’ny mpankafy

Namoronana toerana fanampiny ireo tena mpankafy ny tarika ‘Zay. Vokatry ny fangatahan’izy ireo, taorian’ny « Génération 2000 » teo izany. Herinandro teo izay no efa nanambarana fa lany tanteraka ny tapakila. Mahakasika ilay fampisehoana lehibe hanamarihin’ny tarika ‘Zay ny faha-30 taonany, izay hatao ny alahady 26 jolay ho avy izao, etsy amin’ny […]

Kly Joëlle Horace: Namoaka ny boky mirakitra fihetseham-po « Parts d’êtres »

Hafa amin’ny boky rehetra ! Izay no azo ilazana ity boky mitondra ny lohateny hoe « Parts d’êtres » nosoratan’ny dokotera, ny Kly Joëlle Horace. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ity boky ity. Tononkalo notsongain’i Kemba Ranavela tao anatin’ireo asa soratra marobe novokarin’ny mpanoratra no mandrafitra ny boky amin’ny ankapobeny. Ny dokotera, […]