kolon-tsaina

« International Catering Cup » 2026 : Hisolo tena an’i Afrika i Madagasikara sy Maorisy

Notanterahina tao amin’ny Novotel Convention & SPA Ankorondrano ny fifanintsanana iraisam-pirenena momba ny hainahandro « International Ca­tering Cup » andiany faha-10. Firenena 5 aty Afrika no nanana solontena (Côte d’Ivoi­re, Gabon, Nosy Maorisy, To­go ary i Madagasikara). Fan­tatra, omaly, fa hisolo tena an’i Afrika any amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipa avy eto […]

« Volan’ny ankizy » : Mila haverina ny kilalao fahiny

Sady « Iray volan’ny teny malagasy » no « Volan’ny ankizy » ny volana jona ho an’i Madagasikara. Ho an’ity taona 2026 ity, somary mangingina ny ankizy. Vitsy dia vitsy ny hetsika momba azy io. Kanefa… … Ahitana lesoka goavana be ny tontolon’ny ankizy eto Madagasikara. Iray amin’ireny ny fanabeazana izay mifamatotra amin’ny kilalao […]

Bagasy – tarika R’Imbosa: Hampahafantatra ny tantaran’ny hirany

Hiavaka ny « Zarasehatra » hotanterahina anio tolakandro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro Antsahavola. Ankoatra ny fihirana, hampahafantatra ireo tantara niforonany sy ny lalana nodiavin’ny hira tsirairay ny tarika R’Imbosa. Hifanindran-dalana amin’izany ny tantaran’ireo mpamoron-kira. Anisan’izany i Justin Rainizanabololona, Samuel Rahamefy, Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Naly Rakotofiringa, sns. Iray […]

Antsa fiombonana: Hanao tantsoroka ho an’ny fanabeazana ireo poeta

Hanatontosa ny “Tantso­ro­ka ho an’ny fanabeazana”, eny Ambohidrabiby, ireo vondrona poeta, iarahana amin-dry Harisoa, Ny Voary, Do­moina Fitiavana, Masonalina, Dah nex, Orima, Dakoto, So­ra­tra Fanahy, Misaina Ratovo, Ny Voary Andrianom­bahy, ny 21 jona ho avy izao. Vokatry ny fahatsapana fa manana adidy amin’ny Tanindrazana iombonana ny poeta, indrindra amin’izao Iray […]