kolon-tsaina

Haino aman-jery: feno 30 taona ny Radio Don Bosco

Manamarika ny faha-30 taona nijoroany ny Radio Don Bosco amin’ity taona ity. Nambaran’ny tale mitantana izany, ny mompera Randria­miandrinarivo Franck, fa mifototra amin’ny fotom-pampianarana katolika sy ny fitoriana ny evanjely ny onjam-peo. « Manabe mpihaino, indrindra ny tanora mba ho olom-banona sy mendrika», hoy izy, ny herinandro lasa teo, teny Ivato. […]

« Fanilo Voice 2026 »: nifanandrinan’ireo mpifaninana ny “battles”

Mpifaninana 100 no tafakatra tamin’ny dingana faharoa an’ilay fifaninanana « Fanilo Voice 2026 ». Hiatrika ny ampahefa-dalana izy ireo. Niditra tamin’ny dingana faharoa. Taorian’ny dingana fifanitsanana notanterahina ny 13 sy 14 jona teo, mpifaninana 100 tamin’ireo 210 nisoratra anarana no tafakatra tamin’ny dingana faharoa tamin’ilay fifaninanana “Fanilo Voice 2026”, notanterahina ny faran’ny […]

« Fetin’ny mozika »: Nampiaina gadona maroloko

Efa tafapetraka eto Mada­ga­sikara ny fankalazana. Na fety vahiny aza no niatombohany, efa aman-taonany maro izao no nankalaza ny «Fetin’ny Mo­zika» isaky ny 21 jona isika. Tsara fitontona rahateo, satria nianjera tamin’ny faran’ny herinandro ny fankazalana tamin’ity, ka nanan-tsafidy maro ireo mpankafy mozika. Mozika ma­rolafy, gadona maroloko ary tena nanasongadina […]

« STAR Tour Tanà 2026 »: 3 andro rakotra mpifety ny Coliseum

Tsy sakana ny andro nangatsiaka. Vao mainka nafana aza ny 3 andro, niarahan’ny mozika, kilalao, fanentanana isan-karazany. Fetim-pianakaviana. Izay no tena nezahana na­songadina tamin’ny «Star Tour Tanà». Na izany aza, tsy lavina fa tonga maro noho ny fiarahan’ny fampisehoana, ny fanentanana isan-karazany fa indrindra ny zava-pisotro amin’ny toerana iray ireo […]

« Island Vibes Festival » : Hetsika ara-javakanto iraisam-pirenena any Toamasina

Hanana «Festival» vaovao hanampy ny efa misy i Toa­masina. Nampahafantarina omaly ny «Island Vibes Festi­val», izay hatao ny 17 hatramin’ny 19 jolay izao, ao amin’ny tokotanin’ny Arena Toama­sina. « Fa maninona no any ? Satria tokoa saika taty Anta­na­narivo io no natao tany am-boalohany. Izaho kosa monina any Toamasina efa ho roa […]