Iray amin’ireo fototra ijoroan’ny firenena, ny soatoavina. Ho an’ny Malagasy, saika manaraka sy manaja ny lamina voajanahary izy ireny, hany ka tsy mety lany andro sy mahatety vanim-potoana ela. Ohatra, ny zokiolona sy ny masoandro amam-bolana, fanaja. Ny aina an’Ilay Nahary ka tsy manan-jo hanala izany ny olombelona. Ny razan-ko […]
kolon-tsaina
Jazz@Tohatohabato : Hosokafan’ny « Jazz Kids » anio ny seho an-tsehatra
Hanomboka anio tolakandro, ireo seho sehatra rehetra hotanterahina mandritra ny Jazz@Tohatohabato taona 2026. Ireo ankizy sy tanora no hisantatra izany. Manomboka anio ka hatramin’ny alahady 9 jolay izao. Maimaimpoana avokoa ny seho sehatra rehetra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Jazz@Tohatohabato ho an’ity taona 2026 ity. Omena vahana hatrany, rahateo, ny hetsika ankalamanjana […]
Viviane Rahariniraina: Namoaka boky hakana lesona sy fanazaran-tena
Fanitelony amin’ny boky navoakan’i Viviane Rahariniraina ny « Je ne poursuis pas, je me choisis ». Misy fitarihana, fanazaran-tena ary fampironana amin’ny maha boky fampandrosoana ny tena azy izany. Lesona zato sy fanazaran-tena zato. Izay no noraketin’i Viviane Raharinaina anatin’ilay bokiny, “Je ne poursuis pas, je me choisis”. Hampahafantarina ho an’ny besinimaro, […]
Faha- 15 taon’ny Orange Money : Nomarihina tamina seho goavana
Tsy navela nandalo fotsiny. Nisy ny lanonana izay naka endrika fampisehoana goavana, nentina nanamarihana ny faha-15 taona nisian’ny Orange Money teto Madagasikara. Notontosaina ny alin’ny zoma teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpanakanto nosafidiana tanatin’ny maro, be mpankafy sy araka izay nandrasan’ireo mpampiasa ny Orange Money, no nifandimby niaka-tsehatra. […]
« Manala azy »- Olombelo Ricky: Efa fihaonamben’ny mpankafy
Tontosa soa aman-tsara. Nantsoina ka nanohina ireo mpankafy. Mitoetra ho kolontsaina ny « Manala azy ». Tsy foana fa nahemotra ny seho. Tsy nampihemotra ireo mpankafy ny « Manala azy » izany, ka vory lanona indray ny rehetra ny tolakandron’ny sabotsy teo, tetsy Antsahamanitra. Mety nisy avy nanala fanadinana ve tao ? Tsy fantatra. Ny […]





