kolon-tsaina

Esther Randriamamonjy: mahaliana ny olona ny velakevitra sy ny asa sorany

Ankavitsiana sisa ny mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana mbola velon’aina, ankehitriny. Anisan’izany i Esther Randriamamonjy. Mahazo tombony manokana ireo miatrika ny fampirantiana ataony, noho ny fahafahana mitafa mivantana aminy. Ao anatin’ny fampirantiana ny sanganasan’i Esther Rasoloarimalala Randria­ma­monjy, ny ao amin’ ny Tranomboky Monisipaly Analakely, amin’izao fotoana izao. Hetsika nanomboka ny 23 febroary ary […]

Mozika evanjelika : miroso hatrany ny dian’i Jalèma

Tany amin’ny taom-pahazazany Ramiandrisoa Jalèma Monico no efa tia mozika sy mitendry zavamaneno ary mamoron-kira. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hanokana ma­nontolo ny talentany izay nampiany fandalinana mozika ho amin’ny fiderana ny Ray izy. Ankoatry ny maha mpamorona, mpandrindra ary mpitendry vatamaroafitsoka an’i Jalèma any am-piangonana, mahay mihira sy mikirakira feo amin’ny […]

Fandaharanasa Hay : tanjona ny hampiroboroboana sy hampivelatra ny haikanto

Mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana maro samihafa, avy eto Antananarivo renivohitra, no nisitraka ny fandaharanasa Hay, izay mikendry ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny haikanto rehetra. Notanterahina omaly, teny amin’ny Fondation H Amba­tomena, ny atrikasa fanenomana ho an’ny ankizy manana fahasembanana. Fiaraha-miasan’ny fikambanana Ank’ izy sy ny Fon­dation H ary ny fari-piadidiam-pampianarana […]

Festival «Cinema for Change»: Tanjona ny hampahatonga saina ny tanora

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 29 febroary 2024, eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andava­mamba, ny hetsika “Cinema for Change”, karakarain’ity ivontoerana ity sy ny Cooperation Monegasque à Madagascar. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Ny tanora, indrindra ireo misehatra amin’ ny tontolon’ny sarimihetsika, no tena kendrena […]