kolon-tsaina

ny tetikasa Kanto Manabe: mitohy amin’ny fianarana sary sokitra

Ny mahakasika ny sary sokitra indray no hiseharan’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), mandritra ity volana mey ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mizara dingana telo ny fanatanterahana izany. Voalohany ny fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manaraka izany ny fiparitahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo voaofana, eny amin’ireo sekolim-panjakana sy toeram-pitaizana ankizy maro samihafa. Ao anatin’izany […]

Hetsika “Repoblika”: hivoizana ny demokrasia ny Hip-Hop

Kolontsaina sy soatoavina afaka voizina ho fiarovana sy fampiroboroboana ny demokrasia ny Hip-Hop. Izay no ezahina havoitra anatin’ny hetsika “Repoblika”, ny zoma izao. “Ny Hip-Hop no hanavotra ny demokrasia?”. Anisan’ny lo­ha­hevitry ny loabary an-dasy anatin’ilay hetsika “Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy ny fahalalana”io. Hotontosaina ny zoma 10 mey izao izy […]

TARATRY ny KANTO

Nampivondronana ireo mpandihy rehetra ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Nanodidina ny 250 isa ny mpandihy nanafana izany. Nahazo vahana kokoa ny dihy malagasy, hampiroboroboina ny kolontsaina sy ny soatoavina. Nosokafana tamin’ny seho nanomezana vahany ny dihy malagasy tao amin’ny kianjan’ny […]

Urban Vibes, andiany faharoa : nampiala voly ny tanora teto an-dRenivohitra

Voasarika sy liana tamin’ ny seho Urban vibes, andiany faharoa, tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly, ny ankamaroan’ny tanora teto an-drenivohitra. “Tratra ny tanjona, tonga maro ny tanora nanatrika sy namaly ny antso”, hoy Rasamison Henintsoa, mpikarakara sady mpamorona ny Urban Vibes. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hankafizan’ny maro ny […]

« Diavolana » : niombon’ezaka ny Choeur Miangaly

Antoko mpihira tsy miankina amin’ny finoana na fivavahana mandia ny faha-10 taonany. Nanatanteraka fampisehoana an-tsehatra « Diavolana », tao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny faran’ny herinandro teo, ny Choeur Miangaly. Tsikaritra, nandritra ity seho ity, fa namondrona ny ezaka nataony ny tsirairay ka nahatontosana izany. Samy naneho ny fahaizany […]