kolon-tsaina

Nandresy tamin’ny “Star Academy”: Nahazo 100.000 Euros sy famoahana rakikira i Anisha

Nofinofy tanteraka ho an’i Anisha. Rehareha kosa ho an’ny Malagasy manerana izao tontolo izao. Azony ny loka voalohany tamin’ilay fifaninanan-kira “Star Academy” andiany faha-10. “Hanova ny fiai­na- ­ko iny anjoria iny…” Sady nandohalika no latsa-dranomaso i Anisha raha niteny izany, ny alin’ny asabotsy teo. Izay ny fihetseham-pony voalohany, vantany vao […]

Literatiora sy Riva: hamoaka ny boky “Vahindanitra”

Tsy afa-misaraka ny “literatiora sy Riva”. Vao miresaka hoe Riva, mby ao an-tsaina avy hatrany ny riankalo, to­nonkalo, sombintantara sns. Haseho ny amboaran-kalo “Vahindanitra”… Ha­na­ta­ne­ra­ka seho sy hetsika famoaham-boky i Riva, ny zoma 2 desambra izao, amin’ny roa ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ano­sy, efitrano Dox. Hanentana izany seho […]

Reggae : haneho ny “Fitomania” ry Isandranata

Mpanakanto iray manana ny maha izy azy indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny Reggae Bar Ankazomanga, anio asabotsy 26 novambra, manomboka amin’ny telo ora tolakandro. Haneho ny mozikany ny tarika Isandranata, ary nampitondraina ny lohahevitra “Fitoamania” ny se­ho. Efa maro ny sehatra nanehoany ny talentany ary mampiavaka azy ny fahaiza-mihira, indrindra […]

Mpanoratra nasongadin’ny «Facebook»: nomena ny voninahitra mendrika azy i Bao Florine

Lanonana manetriketrika ! Nomena ny voninahitra mendrika azy i Bao Florine. Izy ilay ramatoabe nalaza nandritra ny herinandro maromaro, tao anatin’ny tambajotran-tserasera “Facebook”. Tontosa, omaly, tetsy anoloan’ny Ivokolo An­a­lakely ny lanonana na­no­mezana ny mari-boninahi-pirenena “Officier de l’Ordre National” an’i Bao Florine. Poeta, mpanoratra amin’ny teny malagasy sy frantsay izy, fantatra ihany […]