Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikaly (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara, ACM. Nisongadina tao anatin’ity fanambarana ity ny fangatahana amin’ny andrimpanjakana ny mba hanendrena olona madio sy mendrika hitantana sy hiandraikitra ny toeran’ny Tale jeneralin’ny ACM. […]
Taratra
Fablab EnR-out: Toeram-panofanana hanamafisana ny tetezamita amin’ny angovo
Misokatra amin’ny fomba ofisialy ny Fablab EnR-out, ivontoerana vaovao natokana hampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy hanomezana sehatra ny tanora manana tetikasa mifandraika amin’izany. Mbola olana lehibe ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. 36 % ny tokantrano eto amin’ny Nosy no manana herinaratra, 7 % ny any ambanivohitra izay onenan’ny 70 […]
Seho niavaka: Mankalaza ny faha-15 taona niorenany ny CTP
Nosokafana tamin’ny fomba miavaka tao Antsahamanitra, ny alahady lasa teo, ny fankalazana ny faha-15 taona niorean’ny Chorale Trompetran’ny polisim-pirenena (CTP). Tonga maro nanotrona izany ireo mpino kristianina sady nanome voninahitra an’Andriamanitra, ka nahafeno hipoka ny kianja. Fahombiazana tanteraka, araka izany, ny hetsika, satria tsy vitan’ny nanaitra ny saina sy ny […]
183 tapitria Ar nahodinkodina : Olona miisa telo naiditra eny Antanimora
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, fantatra izao fa nisy fandaniam-bola tsy ara-dalàna tao amin’ny hopitaly « Centre hospitalier de références de district (CHRD II) » Itaosy. Araka ny tatitra navoakan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tserasera, vola mitentina 183 092 109,71 […]
INDRAY MIJERY
Mikarakara fanenana hetra faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.Tanjona ny hanampiana ny olom-pirenena hahafeno ara-potoana ny adidy amin’ny hetra, izay fototra iorenan’ny fanatsarana ny asa sy ny tolotra eto Antananarivo. Ny hetra no anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny tanàna. Manomboka ny tetikadim-pirenena momba ny “Digitalisation” ho an’ny fampianarana teknika sy […]




