Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka, afaka herinandro, ny fitaterana manokana ireo milina ho an’ny tobim-pamokarana herinaratra 105 W avy any Toamasina mankeny Ambo­himanambola. Efa vita ny asa nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy hanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena faha-2. Voalaza fa mahazaka tsara ireo milina milanja 60 t sy 70 t ny iray, ireo […]

Airtel Madagasikara : Tafapetraka ny VoLTE

Mampiasa teknolojia vaovao ny orinasa Airtel Mada­gasikara. Ampiasaina voalohany eto amintsika ny fitaovana VoLTE (Voice over LTE), ampiasaina amin’ny fifampiresahana amin’ny finday. Ma­mpiavaka azy, azo atao ny mifampiresaka amin’ny finday, mazava tsara ny feo (HD), amin’ny alalan’ny tanjaka 4G. Na eo am-piresahana aza, azo atao ny manao zavatra hafa anaty […]

Tetikasa GAS : Hapetraka ny sekoly maitso

Hatao sekoly filamatra ny CEG Nanisana. Natao sonia teny an-toerana, ny zoma 12 septambra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny fikambanana Green for Healthy of Madagascar (GHM). Mifantoka amin’ny fametrahana sekoly maitso ny fifanarahana, amin’ny alalan’ny tetikasa “Green Action School […]

Toliara : Loabary an-dasy momba ny harena ambanin’ny tany

Mitohy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana. Nifantohana ny fitantanana, ny fanabeazana ary ny fifanakalozam-baovao miteraka fampandrosoana. Efa nisy ny loabary an-dasy mahakasika ny ha­rena ambanin’ny tany, na­taon’ny tetikasa Taratra, tany Benetse, kaominina Ankilimalinike, kaominina Be­la­landa, Ranobe ary Tsia­fanoka. Namolavola azy ny Eglizy Katolika, tamin’ny alalan’ny […]

Jean Nirina R. : Mampirisika ny reny sy ny zaza hanao vaksiny

Nitondra fanentanana ho an’ireo renim-pianakaviana mba hanao vaksiny ny zanany ny filohan’ny Hafari Malagasy, sady tale jeneralin’ny orinasa Fitrama, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro teo. Marefo ny reny sy ny zaza, indrindra amin’izao fiovaovan’ny toetr’andro izao, maro ireo karazan’aretina miseho sy/na tonga tampoka, […]