Anisan’ireo nahazo fanofanana arakasa avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ny voafonja ao amin’ny fonjan’Antalaha. Nomena mari-piofanana ireo nahavita izany. Any Sambava, faritra Sava, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ao anatin’ny fandaharanasa ho fanatsarana sy fanamafisana ny sehatry ny fanofanana arakasa […]
Taratra
Atletisma – «Mondiaux 2025»: Nihintsana i Sidonie Fiadanantsoa
Tanterahina any Tokyo, Japon, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja atletisma «Mondiaux 2025». Manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Sidonie Fiadanantsoa. Omaly, nihazakazaka teo amin’ny 100 m misy fefy ny tovovavy. Vao tany amin’ny fifanintsanana dia efa nihintsana izy. 13 s 27% ny nahavitany ny halavirana ary […]
Baolina kitra – Cosafa U17: Nomontsanin’i Afrika Atsimo, 5 no ho 1, ny Barea
Tojo faharesena fanindroany indray ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny U17, omaly tatsy Harare, Zimbabwe, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa). Nomontsanin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 1, ny zandrikely malagasy. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao toa an’Ankatso sy Ambohidempona
Madiva hifarana ny taona 2025. Samy ao anatin’ny fanaovana tombanezaka, ankehitriny, ny federasionina isanisany, ny klioa tsirairay ary ny atleta sy ny mpanazatra. Fomba fanao mahazatra izany rehefa tapitra ny taom-pilalaovana. Hitodihana ny lasa, hibanjinana ny hoavy. Misy anefa ireo mifangarika be ihany. Tsy miady tsy miady fa kibay an-kelika […]
Lomano : Nitondra vokatra tsara ny fiofanana tany ivelany
Anisan’ny nisitraka ny fiofanana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja lomano, i Madagasikara. Malagasy mpilomano roa no niatrika izany, tamin’ity taona ity. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ireo Malagasy mpilomano mianadahy, niaraka tamin’ny Tale teknika nasionaly, niatrika fiofanana avy amin’ny “World Aquatics”. Nambaran’izy ireo fa maro ny lesona sy fahaiza-manao nandritra ny fiofanana […]




