Taratra

Tanambao V-Toamasina : Maty novonoim-badiny ilay ramatoa

Namoy ny ainy novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny renin-janany tao amin’ny fokontany Tanambao fahadimy parisela 13/35, kaominina Toamasina, ny marain’ny 2 ja­noary. Raha ny angom-baovao, tonga namangy azy vao maraina tao amin’ny tranon-dRamatoa ity rangahy ity. Nikasa hiarahaba tratry ny taona amin’io vady teo aloha sady renin-janany io ilay rangahy na […]

Natsingevan’ny ranon’i Sisaony : Ankizivavy 14 taona iray hita faty

Nisasa amoron-drano kinanjo nisolifatra tampoka tanaty rano ny ankizivavy iray teny Ampitatafika. Sepotra izy ka namoy ny ainy. Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony, tetsy amin’ny Vosary, fokontany Ambodiafontsy, kaominina ambanivohitra Ampitatafi­ka, ny sabotsy 3 desambra, ta­min’ny 12 ora sy sasany atoandro, ny ankizivavy iray 14 taona. Nam­pandrenesin’ny fokonolona ni­kasika ny […]

Maternité Befelatanana: Zazavavy teraka voalohany Andrianjafy Stenny

Andrianjafy Stenny no za­za teraka voalohany ny taona 2026, tao amin’ny Maternité Befelatanana tamin’ny 1 ora sy 57 minitra maraina. Za­za­vavikely milanja 3 kg izy ary teraka tsy nodidiany ny reniny. Nizotra tsara tsy nisy olana ny fiterahana, araka ny fanaza­van’ny mpampivelona. Zana-dRazanakoto Françoise Victo­rine izy. Mipetraka eny amin’ny kaominina […]

Fiparitahan’ny Mpox: Misy ny fitsirihana ataon’ny minisitera

Tafakatra 16 ny trangana Mpox voamarina ao Mahajanga hatramin’ny faran’ny taona. Azo tsaboina ny aretina, azo sorohina ihany koa. Efa mandray ny andraikiny ny minisitera. Manoloana ny fihanaky ny Mpox, nisy ny fivoriana maika sy famelabelarana ofisialy momba ny nendran-drajako teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voalaza fa olana ara-pahasalamana maneran-tany izy […]