Taratra

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy maintsy henjana ny sazy amin’ny fanolanana”

Nahabe adihevitra teto Madagasikara talohaloha teo ny amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ka nanaovana lalàna ny amin’ny famosirana izay tratra sy melohin’ny fitsarana noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Efa saika lasa adihevitra politika aza izany… Ani­san’ny nahatonga ny di­sadisa diplaomatika niafara tamin’ny fandaozan’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina telo aloha iray […]

TSELATRA

Lehilahy nisandoka ho mpitandro filaminana voasambotry ny polisy teny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka, afakomaly. Nanao fanamiana mpitandro filaminana io lehilahy io. Nentina natao famotorana eny anivon’ny kaomisaria 67 Ha izy. Raim-pianakaviana voafaokan’ny fiara teny An­dranotapahana, ny sabotsy 13 septambra, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nentin’ny tsara sitrapo namonjy ny hopitaly […]

Nanafika tsena : Roa lahy nofatoran’ny fokonolona

Nidiran’ny jiolahy an-keriny teo am-piomanana hanakaton-tsena ny mpivarotra iray ao Anjozoro Centre, fokontany Anjozoro, kaominina Manta­soa, distrikan’i Manjakan­driana, ny 12 septambra hariva. Nirongo fitaovam-piadiana, toy ny antsilava sy basy ireo olon-dratsy. Nanambana basy izy ireo no sady nitaky ny vola rehetra tao an-tsena. Norobainy tamin’izany ny vola 405 200 Ariary […]

Vaky fasana : Razana 42 lasan’ny jiolahy

Fongana ny fasana miisa telo tao amin’ny tanànan’­ Ambatolampy, fokontany Analamarina, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alarobia 10 septambra lasa teo. Novakin’ny jiolahy ireo fasana telo tsy mifanalavitra. Nentin’ireo tsy mataho-tody avokoa ny razana am-polony tao anatin’ireo fasana ireo. Nalain’ireo mpandroba ireo ny razana miisa dimy tao amin’ny fasana voalohany. […]

Anosikely: 4×4 tra-doza, roa maty!

Nodimandry ny vehivavy iray, 25 taona, mpandeha, sy ny mpamily nialana nenina teny anivon’ny hopitaly ity farany, saingy tsy tana koa ny ainy, taorian’ny lozam-piarakodia teny Anosy, ny marain’ny sabotsy 13 septambra teo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Anosy, afakomaly maraina tamin’ny 4ora sy sasany. Tra-doza tamin’ny lalana midina […]