Taratra

FANTINA sy FINTINA

Ny Malagasy rehetra mivondrona entanin’ny fitiavana ny firenena sy ny Malagasy mitovy amin’ny tena ihany no lalana hampandroso ny firenena. Izay ny fiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny filoha mpisolo toerana ny Antenimierandoholona, ny loholona Ndremanjary Jean-André, ny 1 janoary teo. Amin’ny maha andrimpanjakana mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona […]

FFKM : “Ho taon’ny fitiavana sy fifankatiavana ny 2026”

“Manasa antsika hanatsara ny faravodilanitry ny fisiantsika ka amin’ny fitiavana dia manampy antsika mba tsy ho maraina tonga hariva fotsiny ny fiainantsika, fa tena fiainana vonton’ny fitiavana sy ny fifankatiavana”. Io ny fiarahabana sy firarintsoan’ny filohan’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Mada­gasikara (FFKM), ny arsevekan’ Antananarivo eo anivon’ny Ekar, ny Mgr […]

Tonon-taona izao

  Taona 2026, taona vaovao: be dia be ny andrasana sy andrandraina amin’izany? Na eo amin’ny fiainan’ny tena, na eo amin’ny fiainam-pirenena… Amin’ny tonon-taona toy izao, saika mahazatra sy mandeha ho azy mandrakariva ny fifampirarian-tsoa: ho taom-panambinana sy taon-jina anie, hitondra soa… Raha ny marina, tsy ny taona na ny […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Handraisana fepetra amin’ny tomban’ezaka ny governemanta”

Araka ny fanamby, roa volana no nomena ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka teny an-kianja. Hisy ny tomban’ezaka izay handraisana fepetra amin’ny fitazonana na fanoloana minisitra… “Ny tonon-taona toy izao no voatokana anaovana tomban’ezaka. Mifanojo sy mifanindry amin’ny fe-potoana roa volana nomena iasan’ny governemanta izany. Eo am-panatanterahana ny tomban’ezaka sy […]

TSELATRA

Olona telo notanana vonjimaika any am-ponja rehefa nahatrarana entana halatra tao amin’ny fokontany Matiakoho, kaominina Ambilobe, afakomaly. Voasa­ringotra tamin’ny tranga vaky trano niseho ny 29 desambra lasa teo ireo olona ireo. Tratra tao amin’ny tokantrano ny fahitalavitra halatra sy ny fitaovana hafa. Lehilahy iray namoy ny ainy taorian’ny fialana nenina […]