Taratra

Polisin’ny tontolo iainana: Fitaovana vaovao hitiliana ny kalitaon’ny rivotra

Natolotry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), omaly, ny fitaovana sy kojakoja manokana ho ampiasain’ireo manamboninahitra polisin’ny tontolo iainana, Officier de police judiciaire de l’environnement (OPJE) miisa 60. Miisa 23 ireo fitaovana, ahitana fitiliana entona, fandrefesana ny tahan’ny setroka avoakan’ny fiarakodia, ny tahan’ny merkiora amin’ny rivotra, ny […]

Fankalazana ny faha-20 taona: Mizotra mankany amin’ ny Arelec ny ORE

Nankalaza ny faha-20 taonany, tetsy Ankaditoho, Tsimba­zaza, ny Ofisy manara-maso ny fampiasana herinaratra, «Offi­ce de régulation de l’électricité (ORE)». Tafiditra ao anatin’ity fankalazana ity ihany koa ny fiovan’ny sata sy ny anarana ho lasa Autorité de régulation de l’électricité (Arelec), araka ny lalàna 2017-020, sy ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny 6 […]

MFFT : Hitondra fanavaozana amin’ny fananan-tany

Nanao fampivondronana teo amin’ny fanjakana sy ireo mpisehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, omaly, tetsy Anosy. Nihaona sy nitafa tamin’ireo sehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fa­najariana ny tany (MFFT), omaly, tetsy Anosy. Tanjona tamin’izany ny hampahafantarana ireo dingana lehibe efa vita sy […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ny namaly ny antso ka handray anjara amin’ny fifaninanana “Madagascar International BJJ Open 2025”, taranja Jiu-jitsu breziliana, i Angola sy Afrika Atsimo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasy JJB. Fifaninanana hotontosaina ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana […]

Zandarimariam-pirenena : Hanangana ekipa amin’ny taranja maro

Klioba mitàna ny laharana voalohany eo amin’ny taranja volley-ball ny Zandarimariam-pirenena. Porofon’izany ny nahazoan’ny GNVB ny am­boara rehetra tamin’ny fifaninanana nasionaly, teo amin’ny sokajy U16 sy U20, tamin’ity taona ity. Ankoatra izay misongadina eo amin’ny iraisam-pirenena ihany koa ny GNVB, izay nandrombaka ny amboara nandritra ny RNS 2024 natao tany […]