Taratra

Nihinana sakafo nivadika : Olona 36 voatery naiditra hopitaly

Sakafo “mayonnaise” nivadika no nitarika ny fahavoazan’ny olona miisa 36 mianaka tao Toliara, araka ny ahiahian’ny mpikarakara ny sakafo. Tafakatra 36 ireo olona lasibatra ka voatery naiditra hopitaly hatramin’ny omaly. Lehilahy, zaza amam-behivavy miisa 36 samy voatery nandalo fitsaboana tao ani­von’ny CHU Tanambao, kaominina Toliara avokoa, hatramin’ny omaly maraina. Nitran­gana […]

Ambohimanga Rova: Lehilahy hita faty

Hitan’ny fokonolona vao maraina ny vatana mangatsia­kan’ny lehilahy iray, teny Ambodisiarivo, kaominina Ambo­himanga Rova, omaly maraina. Nanao akanjo tsara io olona io saingy tsy nisy taratasy nahafahan’ny tomponandraikitra namantarana azy, tamin’ny fotoana nahitana azy. Tsy maty noho ny vono olona io lehilahy io, araka ny fanambaran’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohimanga. «Nilaza […]

Akon’ny faran’ny taona: Olona roa namoy ny ainy, 235 naiditra hopitaly

Tsy nieren-doza ny fetin’ny faran’ny taona sy taombaovao. Olona roa namoy ny ainy, 235 naratra teny amin’ny HjRA. Tafakatra 16 kosa ny lozam-pifamoivoizana voaisan’ny polisy. Olona roa namoy ny ainy ary olona 235 nandalo fizaham-pahasalamana ny alin’ny 31 desambra sy ny 1 janoary teo, araka ny loharanom-baovao teny anivon’ny hopitaly […]

Tsipy kanetibe Analamanga: amin’ny 24 janoary ny fivoriambe

Tsy miandry ela fa miditra amin’ny asa avy hatrany ny filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe vaovao, Andriantsiferana Ravaka. Hisantatra ny fandaharam-potoany ho an’ny taona 2026 ny fivoriambe. Araka ny tati-baovao avy aminy, hotanterahina ny sabotsy 24 janoary izany. Io ihany koa no fihaonana amin’ireo klioba rehetra mivondrona ao anatin’ny ligy […]

“Can 2025”: nihintsana ny ekipa nasionalin’i Comores

Izay aloha no vita! Nifa­rana afakomaly, ny dian’ny Coela­canthes Comores, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, tanterahina atsy Maroc ity. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny fihaonana teo aminy sy ny Aigle de Mali, nan­dritra ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, “A”. Raha nahita […]