Taratra

Foano ilay “Facebook”!

Tena aleo mihitsy angamba hakatona any ity “facebook-facebook” ity eto Madagasikara. Mankarary an-doha ny mahita ny vaovao miely isan’andro. Tena tsy misy raha manjary sy mba fijery miabo. Tena kilalao maloto, andro aman’alina. Manginy fotsiny ny fahavetavetana ara-panahy maha olona. Toa fifamotehana sy fifanimbana an-kitsirano no bobaka. Raha hofaizina sy […]

Ndremanjary Jean-André: “Olana seza ny fitakiana fandravana andrimpanjakana”

“Raha tonga ny filazan’ny sasany hoe harodana indray io fa hovaina zavatra hafa, olana seza izany. Mba manana olom-boafidy ve ireo olona miteny an’izany? Tsy misy. Olona fantatra avokoa ihany izy ireo.” Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimi­erandoholona mpisolo toerana, Ndremanjary Jean-André, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny […]

“Raharaha Ravalomanana Richard”: tsy misy mipika ny fanadihadiana eny Andrefan’Ambohijanahary

Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpanao famotorana, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ao amin’ny Toby Ratsimandrava. Nilaza izy ireo fa tsy afa­ka ny mizara ny fivoa­ran’izany aloha, hatreto, ho fanajana ny tsiambara­te­­lon’ny fanadihadiana sy ny zon’ny olona nosamborina. Izay ny vaovao farany mahakasika ny jeneraly Ravaloma­nana Richard, izay tazomina etsy amin’ny […]

Ady amin’ny valala: maherin’ny 24 000 ha efa voatondraka fanafody

Mitohy hatrany ny ady amin’ny valala tanterahin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanavaozana ny famokarana eny ambanivohitra sy ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo nasionaly izany. Tamin’ity taona ity, maherin’ny 24 000 ha ny tanety voatondraka fanafody ary mbola hotohizana mandritra ny volana janoary 2026 ny tetikasa amin’ny alalan’ny fametrahana ny tobim-pibaikoana […]

Fanondranana drakaka: voafaritra ny « quota » ho an’ny mpandraharaha tsirairay

Nivoaka taorian’ny dinika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny solontenan’ny Fiaraha­mo­nim-pirenena ary ny Bianco ny « quota » andiany voalohany ho an’ireo mpandraharaha mpanondrana drakaka, ho an’ ny taona 2026. Araka izany, na­­tokana ho an’ireo orinasa efa miantsehatra amin’ny seha-pihariana drakaka ny 70% ny « quota » ny fanondranana. Mi­isa 13 […]