Jiolahy iray lavon’ny zandary tany Betioky Atsimo, afakomaly alina. Nikasa hanafika tranon’olona iray tany an-toerana izy ary nifanehitra tamin’ny zandary mpanao fisafoana tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Bezaha. Nandositra ary voatifitry ny zandary ka lavo. Jiolahy raindahiny ary fanta-daza amin’ny resaka vaky trano sy efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika ihany koa […]
Taratra
Nodomin’ny fiara : Mpitondra bisikileta iray namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, lalam-pirenena fahafito, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Fiara kely iray, marika Daihatsu, no nifaoka mpitondra bisikileta iray. Avy aty Antananarivo, handeha hianatsimo io niavian’ny loza io, raha ny tatitra voaray. Vokany, maty tsy tra-drano ilay rangahy noho ny […]
Doro tanety : Trano 75 tafo kilan’ny afo
Kilan’ny afo tanteraka ny trano manodidina ny 75 tafo any amin’ny fokontany Ankadimena, kaominina Fierenana, disitrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly alina. May tao avokoa ny biby fiompy rehetra, ny vola tahiry, ny vary, hatramin’ny entana rehetra tao anatiny, raha ny tatitra voaray. Levon’ny afo ary lasa lavenonana avokoa ny trano sy ny […]
Fandrobana tetsy Ankazomanga : Hotely very 144 tapitrisa Ar, sy 12 230 Dolara mahery
Voaroba ny hotely iray, omaly maraina, tetsy Ankazomanga. Tsy lasa lavitra fa voasambotra ny efa-dahy. Mbola nahatrarana 144 tapitrisa Ariary sy 12 230 Dolara ny iray. Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny trano fandraisam-bahiny iray etsy Ankazomanga, omaly maraina. Norobain’izy ireo, tamin’izany, ny vola rehetra. Lasa nitsoaka avy hatrany ny olon-dratsy rehefa […]
Rugby – Federal 2 : Hifandona ny Rosa Club sy ny US Ikopa
Hanomboka amin’ny alahady 14 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eo amin’ny “Federal 2”, taranja rugby. Fihaonana karakarain’ny Malagasy Rugby. Lalao telo avy hatrany no voalahatra amin’izany ka adin’ny samy kartie avokoa ireo fihaonana. Anisan’ny dona andrasan’ny rehetra ny […]




