Taratra

QMM Taolagnaro: Tanora 25 hisitraka ny Fandaharanasa Lombao

Manohana ny tetikasa volavolain’ny tanora ny orinasa QMM any Taolagnaro. Nivoaka ny andiany voalohany hisi­traka ny fandaharanasa Lombao. Miara-miasa  amin’ny Miarakap ny orinasa QMM amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-monina (RSE). Mpandraharaha miisa 25, vehivavy ny 14 ary lehilahy 11 no hisitraka ny fandaharanasa Lombao. Tanora 18 ha­tramin’ny 35 taona […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny Centre de formation professionnelle sy ny Lycée technique professionnel Belo sur Tsiribihina ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa nandritra ny fandalovany tany amin’ny faritra Menabe, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hijerena akaiky ny fivoaran’ny fiofanana. Eo koa ny filan’ny sekoly arakasa eny an-toerana indrindra […]

Sary hosodokO “Fotoanako izao”: Manentana ny vehivavy ho sahy hijoro

Haranty ao amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina La Cité des cultures Antanina­renina, mandritra ity volana septambra ity, ny sary hosodoko lehibe nataon’ny mpanao hosodoka sady mpihira no mpandihy Naty Kaly, mitondra ny lohahevitra hoe “Fot­oanako izao”. Antso na kiaka momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy no hasehoan’ny sanganasa avy amin’ny […]

Association Fanilo: Nisitraka fanampiana ireo mpampianatra

Nahazo tohana avy amin’ny Association Fanilo ireo mpampianatra Fram maherin’ny 350. Notanterahina ny herinandro teo teny amin’ny Cisco Avaradrano. Manampy izany ny didimpoitra faobe ho an’ny zanaky ny mpampianatra narahina fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana sy fizarana fanafody. Nomena zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) koa izy ireo, toy ny vary, […]