Taratra

Miray lalana ny fanabeazana sy ny kanto: Manohy ny seho eto an-toerana i Zook Davids

Taorian’ny diany tany ivelany. Manohy ny fampisehoana eto an-tanindrazana i Zook Davids. Anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Hebrona Ano­sizato izy sy ireo mpiray sehatra aminy. Tsy ho ela, hitodidoha ho an’ny Mahajanga indray ny tarika. Ankoatra ny maha seho sy hira evanjelika. Mampiavaka ny fampisehoana […]

Sehatra bagasy : Hisy ny atrikefa bagasy hira voafantina

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Sehatra Bagasy volana septambra ny «Atrikefa bagasy hira voafantina». Hetsika hotontosaina ny sabotsy 6 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola. Fampisehoana sy fifanakalozana hanentanana ny mpikambana ao amin’ny Sehatra Bagasy sy […]

Fanabeazana sy fampianarana : Mbola lavitra ny « maha Malagasy »

Hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny mpianatra. Amin’ny ankapobeny, tsy hisy loatra ny fiovana… Ny fanabeazana, indray iainana isan’andro. Miankina bebe kokoa amin’ny zava-misy isan-tsehatra. Ireo rehetra ireo, azo itarafana ny maha Malagasy…Ho hita ve ? Tontolo roa mifampiankina, mifamatotra, mifameno ny fanabeazana sy ny fampianarana. Iray amin’ireo lasitra hamolavolana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Namaly ireo fanakianana tato ho ato ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Donna Mara Volamiranty, manoloana ny resabe momba ny fahalasanan-dRatsiraka Celine. Nambarany fa ny filoha Rajoelina Andry no voalohany nandefa teny fampaherezana ho an’ny fianakaviana. «Tsy afaka nanatrika ny fandevenana ihany koa izy fa tsy teto an-toerana», hoy […]

Fampandrosoana eny ifotony: Nofanina momba ny teknolojia ireo kaominina

Nofanin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ireo mpitantana eny ifotony, ny herinandro teo. Niompana amin’ny tontolon’ny informatika sy ny tekonolojia izany, ka anisany nisitraka izany ny kaominina Anka­zoabo, Ankeriky, Tandrano, Ambatolahy ary ny any Fo­tivolo, any amin’ny distrikan’ Ankazoabo, faritra Atsimo Andrefana. Nifanakalo traikefa sy […]