Olona dimy voasambotry ny polisy noho ny harom-paosy teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Tratra nisinto-mahery teo amin’ny fiantsonana Vatobe 67Ha, afakomaly, ny roa tamin’izy ireo. Nangarom-paosy teny Ambodin’ Isotry, ny sabotsy teo, kosa ny iray hafa. Voasambotra teny Ambohimanarina, ny alin’ny 22 aogositra 2025 teo ny iray ambiny. Olona […]
Taratra
Ankadivory Ilafy : Jiolahy miisa efatra nandroba
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Ankadivory Ilafy, afakomaly alina tamin’ny 12 ora tany ho any. Niditra sy nandroba tao amin’ny tokantrano iray voalohany, eny an-toerana, ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava miisa efatra. Nosokirin’izy ireo ny varavarana, nandratra olona tao an-trano izy ireo vantany vao tafiditra. Naratra mafy teo amin’ny tanana […]
Lalam-baovao Tsarasaotra: Mpitondra moto tra-doza
Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny alin’ny alahady 24 aogositra teo, tamin’ny 7 ora. Mpitondra moto scooter marika Kymco avy amin’ny lalana Tsarasaotra nikasa hihazo an’Ivato no nidona tamin’ny fiara Starex iray teo alohany. Potika tanteraka ny moto nentin’ilay lehilahy tra-doza. Naratra mafy vokatry ny dona […]
Kaominina Tsiafahy : Vehivavy naolana sady novonoina
Fatim-behivavy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, omaly maraina. Naolana ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy. Nokarohin’ny fianakaviany nanomboka ny sabotsy 23 aogositra lasa teo. Hita tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, ny vehivavy iray, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Tsikaritry ny fokonolona […]
SOMBIM-BAOVAO
Ao anaty fanomanana ny “Cosafa U17” ny Barea zandriny amin’izao fotoana izao. Niova kely ny firafitry ny ekipam-pirenena amin’ity satria nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasionina (FMF) fa hiantso mpilalao mpilaravinahitra. Efatra izy ireo, ka ny telo avy any Frantsa ary ny iray avy atsy La Réunion. Voahosotra ho tompondakan’ny […]




