Taratra

Raim-pianakaviana nahavanon-doza: Maty notsatohany antsy ny zanany roa lahy

Maty novonoin-drainy tamin’ny antsy, ny zanany lahy 12 sy 8 taona tetsy Imerimanjaka, ny sabotsy alina lasa teo. Nikasa hamono tena izy taorian’izay, saingy tsy maty. Niady izy mivady ka tany amin’ireo ankizy no nanamparany ny hatezerany. Ankizilahy mpiray tampo, 12 sy 8 taona, maty notsatotsatohan’ny dadany niteraka azy tamin’ny antsy, […]

Mobile banking : Hanara-maso ny olan’ny Mvola ny MNDPT

Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampa­hibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fa­nitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana ny haitao ara-ka­jy mirindra, ny paositra ary ny […]

Fizarana « Kits solaires »: Iray vina ny Paositra Finances sy ny Mbalik

Vita sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Paositra Finances sy ny Mbalik hanamorana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Kendrena ny fampiatiana ara-angovo sy ara-bola amin’ny alalan’ireo vo­katra vaovao mifanaraka amin’ny fahafan’ny mpanjifa tsirairay. «Tanjona ny hampanakaiky ny tolotra ara-bola […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 646 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo. Niakatra maherin’ny 8,4 miliara Ar izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay mitentina 562 miliara Ar. Natao hanavaozana sy hanarenana ny orinasa Jirama io vola io, fa indrindra hanomezana vahana ny fironana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. […]

Fampiroboroboana ny indostria: Hanamarin-toerana ny fandraharahana ny Cnim

Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim). Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra […]