Taratra

SADC : Efa mirona any amin’ny indostria i Madagasikara

Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, fa efa mankany amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Mada­gasikara. Toraka izany koa ny fironana any amin’ny angovo azo havaozina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nanoloana ny delegasionina avy amin’ireo […]

MESUPRES : Nanatanteraka ny fihaonambe iraisam-pirenena

Notanterahina omaly, tao amin’ny sekoly Polytéchnique d’Antananarivo ao Vontovo­rona, ny fihaonambe iraisam-pirenena 2025 notarihin’ny Mesupres. Hetsika nasionaly mikendry ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Oni­ver­site eto Madagasikara manoloana ny olan’ny kalitao, ny haivao ary ny fanavaozana izy ity. Miompana amin’ny lohahevitra “Ny sampanan’ny fikarohana sy ny fanavaozana hoentina hanatsarana ny […]

INDRAY MIJERY

Nisitraka herinaratra sy jiro ny CSB II Ambatofotsy (distrikan’Ikongo). Efa tonga soa amam-tsara any an-toerana ny kojakoja sy ny fitaovana (panneaux solaires, batterie…) hamokarana ny angovo ary efa any koa ireo teknisianina hanatanteraka ny fametrahana izany. Vinavinaina ho vita amin’ny volana aogositra ny asa. Herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro […]

«Foara Trano» : Miara-miasa ny fanjakana sy ny tsy miankina

Fahombiazana raha ny fanombanana ny hetsika “Foara trano” natao tetsy Mahamasina, ny herinandro teo, niarahana tamin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), niahy ny hetsika. Nambaran’ny sekreteram-panjakana, Andriamahazosoa Gérard, fa laharam-pahamehana ny fiarahana miasa amin’ny sehatra tsy miankina satria manampy sy mamorona ny fanomezana trano ho […]

Bakalorea : Nisy diso ny laza adina, ratsy ny naoty ho an’ny taranja Fizika

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fanadinana bakalorea. Taorian’ny fivoriana nataon’ny Commission d’entente, niroso amin’ny asa ny mpitsara. Nandritra ny andro voalohany, nisy ny fimenomenonana avy amin’ireo mpitsara ny taranja Histo-geo sy Malagasy satria tapaka ny herinaratra tao amin‘ny Conaco médecine ka jiro amin’ny finday […]