Taratra

Ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala: “Tsy vitan’ny kaominina irery ny fanadiovana”

“Ny tiana haseho sy hampitaina: tsy vitan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra irery ny fanadiovana. Tsara miara-mientana isika. Satria tanàna iombonana, soa iombonana”. Io ny nambaran’ny ben’ny Tanàna Antananarivo Reni­vohitra, Ramanantsoa Hari­lala, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny amin’ny fanadiovana faobe ny tanàna taorian’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Faha­leovantena sy nijoroan’ny […]

Fampakarana ny TVA ho 20%: andrasana ny valin’ny diniky ny Gem sy ny Fivmpama

Tamim-pahatairana no nandraisan’ny mpanjifan’ny banky ny fampiharana ny TVA 20 % taorian’ny fanambaran’ ny « Association professionnelle des banques de Mada­gas­car » (APB) momba ny fampakarana ny hetra amin’ny zana-bola amin’ny findramam-bola, ny taha 20%.  Nilaza ny APB fa mihatra manomboka ny 1 jolay izao io fepetra io. Ma­­noloana ny efa […]

Madagascar Airlines: nohavaozina ny fanofana ATR-72

Anatin’ny fanarenana sy ny fanavaozana hatrany ny kaompania Madagascar Airlines amin’izao. Nohavaozina ny fifanarahana fanofana fiaramanidina ATR-72 miisa roa amin’ny orinasa Abelo ho an’ireo mitondra ny laharana 5R-MJF sy 5R-EJB. Hampiasaina hatramin’ny volana janoary 2028 ny voalohany, raha hihitatra hatrany amin’ny volana novambra 2029 kosa ny faharoa, izay samy hanao sidina […]

Manjaka Tokana: nizara fanomezana ho an’ny ankizy

Telo sosona ny fanamarihana tamin’ity volana jona ity. Voalohany, ny fankalazana ny andro niverenan’ny Faha­le­ovan­tenan’i Madagasikara. Faharoa, ny Volan’ny teny malagasy ary farany ny Iray volan’ny ankizy. Ireo sehatra telo ireo dia mahakasika ny firenena ka tena zava-dehibe, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny Sorabe, Manjaka To­kana. Nisafidy ny fokontany Ambohimamory ny […]