Nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Compagnie régionale Fip Analamanga, tany Anjozorobe, afakomaly, ny lehilahy iray 50 taona. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 13 taona izy. Nofitahiny sy notambazany zavatra ilay ankizivavy. Rehefa izay, hoentiny any amin’ny toerana mangingina ary any no anamparany ny filan-dratsiny. Nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ilay […]
Taratra
Hetsiky ny GEN Z : Nifarana tamin’ny tora-bato sy doro kodiarana
Nifampiraharaha nandritra ny adin’iray ora sy sasany tamin’ny mpitandro filaminana nanoloana ny farihin’Anosy, voasakana hatrany, ny fikasan’ireo Gen Z hihazo an’Ambohijatovo, omaly. Niafara tamin’ny tora-bato, fandoroana kodiarana sy hikiaka nataon’ireo tanora mpitolona ny hetsika Gen Z teny Antanimbarinandriana sy Anosy, omaly. Nifampitaona teny an-toerana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niatrana tsikelikely teo […]
FANTINA sy FINTINA
Efa tafakatra hatrany amin’ny 2 000 latsaka ny isan’ireo dosie maniry hiditra ho mpikambana eo anivon’ny governemanta voaray eny Ambohitsorohitra. Toerana minisitra eo amin’ny 30 ho eo no iadiana amin’izany, miaraka amin’ny sekreteram-panjakana. Tsiahivina fa efa ho 10 andro izao no nanambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny handraisana izany. Hanatanteraka hetsika koa […]
Filoha Rajoelina Andry: « Tsy vahaolana ny korontana »
Nampita hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly sy afakomaly. «Tsy vahaolana ny korontana tiana hapetraka eto amin’ny firenena », hoy izy. Nampanantena ny tenany fa hanao ny ezaka sy ny fomba rehetra hampamiratra sy hampisongadina an’ity Madagasikara ity mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasany. Raisiko ho iraka manokana, fanamby goavana […]
Tsy maty manota
Fomba fiteny iray nireharehan’izay mpitondra fanjakana nifanesisesy teto ny hoe “tsy maty manota”. Nizahozaho araka izay tratrany ny manampahefana. Nanao tsindrio fa lavo izay manana herijika afaka nanao izany. Tena nosemporina araka izay zakan’ny ain’ireo mpanao tsindrio fa lavo ny Malagasy tsivakivolo. Nanampatra ny mahabiby fanahy azy ny taranak’i […]





