Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tao amin’ny fidinana Ambohinahasondrotra Ambohimena, kaominina Ambinanifango, distrikan’i Mandritsara, omaly alahady tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Fiara «Tracteur» iray nitondra fitaovana fanamafisam-peo an’ny mpankanto Sofia Goma na Randriatovo Yves-son Olivier io niharam-boina io. Nivarina tany an-kady misy lalan-drano ary nivadibadika ilay fiara. Maty tsy tra-drano vokatry […]
Taratra
Nanavotra ny namany: lehilahy iray hita faty tao anaty ranon’Ikopa Tanjombato
Hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa Tanjombato ny tovolahy iray, ny sabotsy teo. Nanavotra ny vehivavy iray voalaza fa latsaka tao anaty rano izy ka tsy tafaverina intsony. Lehilahy iray 21 taona hita faty tao anaty ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 7 ora maraina teo. Tonga naka sy nampiakatra […]
Vondrona parlemantera Irmar: “Manameloka ireo mitady korontana”
“Manameloka ireo mitady korontana sy fihantsiana ady eo amin’ny samy Malagasy amin’izao fotoana izao”. Io ny fanambaran’ny vondrona perlemantera Irmar eo anivon’ny Antenimierandoholona nentin’ny mpitondra teniny, ny loholon’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana, teny Anosy, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hamafisin-dry zareo fa tsy miteraka fitoniana sy filaminana eo amin’ny […]
Rugby « Africa Seven’s »: manao Mondial ny Makis Seven.
Nisongadina indray ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny fifaninanana Rugby, « Africa Seven’s », izay notanterahina tany Maurice, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Laharana faharoa ny Malagasy, resin’i Afrika Atsimo, 28 no ho 12, tany amin’ny famaranana. Tafita any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny taranja Rugby, lalaovin’olona […]
Fetin’ny Fahaleovantena : Nampiseho ny talentany tamin’ny sarinady ny FDS
Nampiaiky ny mpijery marobe teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny sarinady lehibe nataon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy izany. Tafiditra tanteraka anatin’ ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy malagasy ny hetsika « sarinady […]




