Taratra

« Festisôva » andiany fahavalo: nibata ny amboara ry Akon’ny fanantenana Tsiadana

Miakatra ny tanora mpandimby. Zavakanto miaina, mivoatra kanefa mitana ny fototra ny sôvan’Antananarivo, izay mbola tohizan’ireo tarika maro. Nanotrona, nomem-boninahitra ary nanome tsodrano kosa ireo zoky nitari-dalana ny sôvan’Antananarivo. Naresaka Andraisoro, ny sabotsy lasa teo. Vory lanona ary nila tsy hisy nodiavina ny kianja basikety teny an-toerana, nandray ny «Festisôva» […]

Harendrina ô!

Ao anatin’ny herinandro fankalazana ny fetim-pirenena izao. Harendrina ô! Famoahana afo ny fanaovana harendrina izay fomba tranainy teo amin’ny Malagasy. Ny hariva mialoha ny andro fandroana sy ny fandroana izay famoahana afo izay. Tsy inona ny harendrina fa afo arehitra amin’ny bozaka voafatotra eny an-dohan’ny hazo lavalava entin’ny ankizy mandehandeha […]

Filohan’ny fitsarana, Rasololalao Hortense: “Mitovy ny fikirakirana raharaha eto aminay”

Naneho ny firaisankinany tamin’ny alalan’ny fomba fitafy sy ny maha izy azy isam-paritra ireo mpiasan’ny fitsarana, etsy Anosy ny herinandro teo. Fotoana koa io nanazavana ny fomba fiasan’izy ireo. Nambaran’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antana­narivo, Rasololalao Hortense tamin’izany fa tohin’ny hetsika ara-kolontsaina, nataon’izy ireo ny 2 jona lasa teo […]