Mifanosona ny fety aman-danonana. Volana jona, volan’ny ankizy. Volan’ny teny malagasy. Volana ho an’ny fahaleovantenam-pirenena, fetin’ny mozika, sns. Samy manezaka maneho sy manasongadina izay heverina fa sehatra misy azy ny tsirairay, ny fikambanana, ireo sampandraharaha sy rafitra isan’ambaratonga isan-karazany… Saingy, hatramin’izao, mbola saro-tadiavina ilay maha Malagasy ao anatin’ireny hetsika ireny. […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Manomboka mahazo vahana ny fitiavan’ny Malagasy ny momba azy. Saingy, maro ireo manao dingan-dava. Ny momba azy aza mbola tsy ananany fahalalana firy, kanefa, ny an’ny hafa indray no handaniany rondoha tsikeraina, hahitsy, mety hihomehezany mihitsy aza. Mbola lesoka goavana eo amin’ny fampivelarana sy fiverenana any amin’ny fototra ny tranga […]
Antsam-piderana : Tonga eto i Dena Mwana
Toy ny isan-taona, hisy ny « Antsam-piderana ho an’ny Firenena ». Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena izy ity. Natao indrindra hangataham-pitahiana ho an’ny firenena, hizarana ireo hira ara-pilazantsara amin’ny alalan’ny fampisehoana goavambe izany. Hotontosaina ny alahady 22 jona izao ny amin’ity, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hiavaka kokoa izany, satria nanasa […]
« Fetin’ny Mozika »: Natao hampiray fo ny olombelona rehetra
Anjakan’ny ratsy ny tontolon’ny zanak’olombelona… Soa fa nisy ny mozika, iray amin’ireo mampitony izany. Mampiray, mampihavana, toy ny fiteny iraisan’izao tontolo izao. Izay ny lalan-tsaina voizina mandritra izany. 21 jona, natokana ho « Fetin’ny Mozika ». Tsy io anefa ny « Andro iraisam-pirenena na Andro maneran-tany ho an’ny mozika », fa tokony ny 1 oktobra. […]
Toekarena mihodina: Fanodinana ny fako plastika ho lasa vokatra vaovao
Hatao kaominina filamatra ny eny Tanjombato amin’ny fanodinana ny fako plastika ho lasa vokatra vaovao indray. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny kaominina, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny orinasa Société de fabrication de l’Océan Indien (SFOI). Mifantoka amin’ny fanangonana ny fako plastika ao […]




