Voasambotry ny zandary avy amin’ny borigadin’Ambohimalaza, afakomaly, ny ray aman-drenin’ilay zaza menavava notsatohana hety teo amin’ny tendany, ny zoma lasa teo. Tratra teny Ambohimalaza ilay renim-pianakaviana, raha toa ka teny Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ilay raim-pianakaviana, raikely, fa nanoratra ny anarany tao anaty kopian’ny zaza. Bevohoka fito volana ny renin’ilay zaza […]
Taratra
Ambodimita : Vehivavy 71 taona nahatrarana vola sandoka
Vaviantitra 71 taona nahatraran’ny polisim-pirenena vola sandoka teny Ambodimita, boriborintany fahenina, ny alakamisy 12 jona teo. Mitety tsena, mody mividy zavatra no fomban’ireo olon-dratsy manaparitaka io vola sandoka io. Niandry andro ho maizimaizina, nilaza hametraka vola mitetina 320 000 Ar ho ao anaty findainy teo amin’ny Cash point iray io ramatoa […]
Olona telo hatolotra ny fampanoavana : Lehilahy notrobatrobarana tamin’ny zava-maranitra
Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka. Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany […]
Toekarena manga : Hamafisina ny fiaraha-miasa maharitra
Hamafisina ny fiaraha-miasa misy sy iraisan’ny rehetra, havaozina ireo paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hahetsika ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina. Nivoitra ireo nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré, tamin’ny fikaonandoha fahatelon’ny Firenena mikambana mahakasika ny ranomasina (UNOC3), natao tany Port Lympia, Nice […]
VAOVAO TAMBATRA
Very hevitra ny mpandraharaha madinika manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Misy ireo voatery nampitsahatra ny famokarany. Ao koa ireo nidi-trosa hividianana “groupe électrogène” hanohizana ny asa sahanina. Mihena ny mpanjifa na eo aza ny ezaka atao, mihena ihany koa ny fidiram-bola izay mampikoroso fahana ny toekarena. Marihina fa mandray anjara betsaka […]




