Nahitsy ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa tsy ilaina ny maneho hevitra an-dalambe manoloana ny teknolojia amin’izao fotoana izao. “Efa hery faharoa amin’ny fanehoan-kevitra ireny tambajotran-tserasera ireny. Fanakorontanana ara-politika io fitadiavana hidina an-dalambe io ka tsy maintsy mailo ny prefektiora”, hoy izy. Nankasitraka ny filoha Rajoelina Andry ny depiote […]
Taratra
Fifanatrehana teny Tsimbazaza : Mbola te hitazona ny Praiminisitra ireo depiote
Samy namerimberina ny hitazonana amin’ny toerany ny praiminisitra Ntsay Christian ny maro anisa amin’ireo depiote. Nivoitra izany tamin’ny fifanatrehana tamin’ny governemanta, tao anatin’ny roa andro, teny Tsimbazaza. Nivoy hatrany fa mendrika sy tokony hanohy ny asany amin’ny maha lehiben’ny governemanta azy ny praiministra Ntsay Christian, ireo depiote. Tao ireo nanome […]
Haingana sy mivaingana
Tsy fandriampahalemana, vidim-piainana, famatsian-jiro sy rano… Ireo no tena nampitaraina ny ankamaroan’ ireo depiote tamin’ny fifanatrehana tamin’ny governemanta. Hanao ahoana? Na vitan’izay… Nisy ny tena namatrapatratra nanala ny alahelony sy ny fony. Nisy aza ny tonga amin’ny hoe mila mametra-pialana, hono, izay tsy mahavita. Toy ny hoe hahavaha mora foana […]
Praiminisitra Ntsay Christian ; “Tsy azo ekena ny korontana lava eto amin’ny firenena”
Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny depiote ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny zoma alina teo. Nisy ny hafatrafatra nentiny tamin’izany, manoloana ny raharaham-pirenena. “Anisan’ny olana goavana ny korontana, ary antony nahatonga izao fahantrana izao. Ahoana no ieritreretana hoe isaky ny enim-bolana na roa taona dia korontana lava eto […]
TSELATRA
Zazalahy hita faty tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Imerintsiatosika, ny zoma 13 jona teo, tamin’ny 11 ora atoandro. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io zazalahy vao 4 taona monja io. Ny vatana mangatsiakany hany sisa hita. Zava-mahadomelina 39 kg saron’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Natao ny fikarohana ireo olon-dratsy nitatitra io […]




