Taratra

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ho azo alohan’ny 20 jona ny volan’ny kaominina”

Anisan’ny namaly sy nitondra fanazavana tamin’ireo depiote ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andri­an­tsitohaina Naina. Anisan’ izany ny momba ny eny ani­von’ny kaominina. Niaiky ny minisitra fa nihena ny vola fanampiana na “Subvention” hampandehanan-draharaha eny ifotony. Mihoatra amin’ny teo aloha anefa izany raha ny fitambaran’ny vola […]

Fanetribe! 

  Nihaona nandritra ny roa andro ny solombavambahoaka sy ny governemanta. Roa andro noheverina fa mba hamelona ny fanantenan’ny Malagasy izay miandrandra vokatra amin’ny mpitondra. Inona akory no teo? Toa tsy mba misy zavatra mivaingana azo raisina ireto depiote. Lany tamin’ny “omeo omeo foana” toa saka ny efatra minitra natokana […]

Vola nogiazan’ny Bianco : 100 miliara Ariary tao anatin’ny efa-bolana

Nahatratra 100 miliara Ariary ny vola nogiazan’ny Bianco ny volana janoary hatramin’ny avrily 2025. Olona 180 naiditra am-ponja vonjimaika. “23 miliara Ar tamin’ny 2024 no nogiazina hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana. Tafakatra 100 miliara Ar ny vola na fananana nogiazina tamin’ity taona ity, hatramin’ny avrily”. Io ny fanazavan’ny tale […]

Fikambanam-pinoana katolika : Notolorana mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny Antilin’i Madagasikara

Anisan’ireo miara-miasa sy manampy ny eny anivon’ny fiarahamonina ny skoto, anisan’izany ny Antily eto Mada­gasikara. Nomena mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny fikambanana. Feno zato taona ny 23 marsa, ny taona 2023 teo ny fikambanan’ny skotisma zazalahy izay antsoina hoe Antilin’i Madagasi­kara. Ity farany izay saika ahitana azy avokoa ny diosezy […]

Gazety boky Le Radar : Mitondra avo ny feon’ny toekarena

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo ny gazety boky Le Radar tontosain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCFIM). «Tan­jona ny hampahafantarana ny rehetra ny zava-misy marina ara-toekarena», hoy ny tale lefitry ny CCIFM, Razafin­drabe Alain. Hita ao anatin’ity gazety boky mivoaka isaky ny telo volana ity avokoa ireo […]